La Gazette de la grande ile

Fampihavanana nentin’ny Barea : Hitondra fiovana eto amin’ny firenena tokoa ve ?

Publié le 14 juillet 2019

Samy miaiky daholo ny rehetra fa nahavita nampiray sy nampihavana ny Malagasy rehetra ny Barean’i Madagasikara, ary nampiredareda indray ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny Malagasy. Na raraka teo amin’ny lalao ampahefa-dalana aza ny Barea dia efa fandresena miezinezina ho an’ny Malagasy ny zava-bitany satria nampiseho eran’izao tontolo izao fa firenena manana ny maha-izy azy i Madagasikara raha ny taranja baolina kitra no resahina. Fandresena lehibe ho an’ny ekipam-pirenena ihany koa ny fampihavanana nentiny eto amin’ny firenena ary izay no tena zava-dehibe indrindra raha ny hevitra ny ankamaroan’ny Malagasy. Maro amin’ny olom-pirenena aza no milaza fa tokony ho ravana ny CFM na ny Filankevitra ny Fampihavanam-pirenena Malagasy satria efa vitan’ny Barean’i Madagasikara ny asa nampandraiketana ity andrim-panjakana ity. Hita ho nihavana sy niray fo tokoa ny Malagasy rehetra, tao anatin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika andiany faha-32 ity. Mipetraka ary ny fanontaniana ankehitriny: “Tena hampiova zavatra eto amin’ny firenena tokoa ve ny fampihavanana nentin’ny Barean’i Madagasikara sa ny omaly tsy miova ihany no hiseho eto?” Raha ny tokony ho izy mantsy, raha tena vita tokoa ny fampihavanam-pirenena araka ny ambaran’ny olom-pirenena maro, dia tokony ho hita taratra izany eo amin’ny fiainam-pirenena, indrindra fa eo amin’ny sehatra ny pôlitika. Tany amin’ny fiandohan’ny repoblika fahatelo tany no nanomboka ny filazana fa mampizara-bazana ny Malagasy ny pôlitika, ary mandrak’ity ny androany dia mbola hita taratra amin’ny fiaraha-monina Malagasy izany. Mbola izay hatrany no hiseho eto Madagasikara taorian’ireny firaisan-kina sy firaisam-po lehibe nasehoan’ny vahoaka Malagasy ireny sa ny omaly tsy miova ihany? Ho avy moa ny fifidianana ben’ny tanàna afaka telo volana ka mbola hanjaka ve sanatria ny fifanaratsiana sy ny fifampiantsiana amin’ny endriny samihafa eo amin’ireo mpomba an-dRakoto sy Rabe tahaka izay nisy hatramin’izay? Raha tena mihavana sy miray saina tokoa mantsy ny Malagasy, ankehitriny, tokony hiaraka hientana hampandroso an’ity Madagasikara ity fa tsy hifanipaka toy ny valala an-karona. Marihana fa tsy eo amin’ny lafiny pôlitika ihany no tokony ahitàna taratra ny fihavanana eo amin’ny Malagasy fa eo ihany koa ny lafiny ara-tsosialy, toe-karena ary kolotoraly.

F.Tsihiavonana

Lire aussi