La Gazette de la grande ile

Fifidianana : Mangetaheta fandresena mafy i Marc Ravalomanana

Publié le 18 juillet 2019

Raha nitodika tany amin’ny fahatongavan’ny Barean’i Madagasikara teto an-tanindrazana ny mason’ny Malagasy rehetra, ny andron’ny sabotsy lasa teo, dia nifantoka tamin’ny politika tanteraka ireo mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara izay nanatanteraka ny kaongresy nasionaly, teny amin’ny Magro Tanjombato. Tamin’ny ankapobeany dia ny raharaha an-tokantranon’ny antoko sy ny fiatrehana ny fiainam-pirenena no nodinihana nandritra izay kaongresy izay. Nanamafy ny fijoroany ho mpanohitra ny fitondran’i Andry Rajoelina moa ny antoko TIM tao anatin’ny fehin-kevitra nivoaka. Fa anisany tena nanamarika ity kaongresy teny amin’ny Magro Tanjombato ity ihany koa ny fitakian’ireo mpizaika ny firotsohan’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka. Tao anatin’ny lahateny famaranana ny zaikabe no nanambara ampahibemaso ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa fa maniry ny hirotsahan’ingahy Marc Ravalomanana eto amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ny mpikambana rehetra manerana ny Nosy. Tehaka nirefodrefotra ary hafaliana tsy nisy toy izany ny an’ireo mpizaika taorian’izay teny nataon’ny maitre Hanitra Razafimantsoa izay. Tsy namaly mivantana kosa ny filoha aloha Ravalomanana, ity farany izay nanambara fa hapetrany eo am-pelatanan’Andriamanitra ny momba izay. Mazava ho azy kazarana sarimehitsika fotsiny no nataon’ny TIM, tamin’io fotoana io satria raha ny fantatra dia i Marc Ravalomanana no ho kandidà hatolotry ny antoko amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. Tsy natao hahagaga izany satria mangetaheta fandresena mafy amina fifidianana ity filoha teo aloha ity, taorian’ny faharesena nahazo azy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka. Amin’ny fifidianana monisipaly mantsy dia raisina ho fandresena lehibe ny fahazoana an’Antananarivo Renivohitra amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy. Raha mijery ny voka-pifidianana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy depiote farany teo, tsy ho mora ho an’ny antoko TIM ny handresy eto Antananarivo ka tsy mahagaga raha i Marc Ravalomanana tenany mihitsy no mirotsaka hifaninana amin’ny kandidà hatolotry ny fitondrana. Inoana fa hampiasa ny heriny iray manontolo amin’io fifidianana ben’ny tanàna io ny TIM. Ho fahafam-baraka goavana mantsy no hahazo an’i Marc Ravalomanana sy ny forongony raha toa ka mbola ho resy eto Antananarivo. Ireo renivohi-paritany dimy hafa moa efa mazava ho azy fa tsy ho azon’ny TIM mihitsy, torak’izany koa ny ankamaroan’ireo  tanàn-dehibe manerana ny Nosy.

F.Tsihiavonana

Lire aussi