La Gazette de la grande ile

Antenimierampirenena : Nalain’ny IRD daholo ny toeran’ny filoha lefitra enina

Publié le 18 juillet 2019

Taorian’ny fifidianana ny filohan’ny Antenimierampienena dia niroso tamin’ny fifidianana ny filoha lefitra sy ny kestiora indray ireo solombavambahoaka, omaly alarobia. Efa hariva moa ny andro vao tontosa fifidianana satria mbola nandeha ny ady varotra sy ny fifandresen-dahatra teo amin’ireo samy depiote IRD nanomboka ny maraina. Tontosa soa aman-tsara ihany ny fifidianana ka lasan’ny IRD avokoa ny toeran’ny filoha lefitra 6 eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity. Ho an’ny faritanin’Antananarivo dia ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Faratsiho no lany, tsy iza izany fa i Honoré Rasolonjatovo na i Papa Solo. Raha ny fantatra dia nisy maromaro izy ireo no niady an’io toeran’ny filoha lefitra ho an’ny faritanin’Antananarivo io, isan’izany ny depiote voafidy tao amin’ny firaisana fahadimy, Naivo Raholdina. Ho an’ny faritanin’i Fianarantsoa kosa indray dia i Jean Brunelle Razafintsiandraofa, solombavambahoaka voafidy tao Ikongo no voafidy ho filoha lefitra. Ramatoa Jocelyne Rahelihanta, voafidy tao Antsiranana no nolanian’ireo solombavambahoaka ho filoha lefitra ho an’Antsiranana. Ho an’ny faritanin’i Toliara kosa, ny solombavambahoakan’i Betioky Atsimo Jean Jacques Rabenirina no voafidy. Tsy dia nampoizina loatra izany satria raha ny resaka nandeha tao anatin’ny andro vitsivitsy dia ny anaran’i Siteny Randrianasoloniaiko no voatonontonona. Ny farany kosa dia ny faritanin’i Toamasina, ramatoa Michelle Bavy Angelica, voafidy tao Fenoarivo Atsinanana. Miavaka moa ity voafidy ho filoha lefitra ho an’i Toamasina ity noho izy tsy mbola solombavambahoaka mihitsy tany aloha. Somary nanaitra ny mpanara-baovao ihany koa ny fahalanian’i Michelle Bavy Angelica satria i Irmah Lucien Naharimamy no noeritreretina hipetraka eo amin’ny toerany. Mazava ankehitriny fa nataon’ny IRD ampihimamba ny toerana rehetra ao amin’ny birao maharitra ny Antenimierampirenena. Tsy nisy araka izany ny fifanarahana natao tamin’ireo depiote tsy miankina izay nivondrona ary nilaza ho manohana ny fitondrana mijoro ankehitriny.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi