La Gazette de la grande ile

Fampivoarana ny fanatajahan-tena : Aleo hijanona ho an’ny tanora ny kianja

Publié le 18 juillet 2019

Tafiditra ao anatin’ireo veliranon’ny filoha Andry Rajoelina ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanatanjahan-tena ary mbola nohamafisiny izany nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fandraisana ny Barean’i Madagasikara teny Mahamasina, ny sabotsy alina lasa teo. Mazava ho azy fa rehefa miresaka fanatanjahan-tena dia anisan’ny laharam-pamehana ny resaka fotodrafitrasa. Raha tiana tokoa ny hivoaran’ny fanatanjahan-tena eto amintsika, indrindra fa ny fanatanjahan-tena iombonana, dia ilaina ny fisian’ny kianja eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany hilalaovan’ny tanora. Ny zava-misy anefa tato anatin’ny taona vitsy izay dia maro amin’ireo kianja filalaovam-baolina no lasan’ny olon-tsotra ary hananganana fotodrafitrasa hafa, raha tsy hiresaka ny kianjan’ny 80 lahy eny Ambatobe sy ny kianja teny Anosizato izay lasan’ny teratany vahiny. Ohatra fotsiny ireto notanisaina ireto fa saika manerana ny Nosy no ahitàna tranga toy izany. Tsy kianja filalaovam-baolina ihany fa hatramin’ireo toerana malalaka filalaovana tsipy kanetibe dia misy no lasan’ny olon-tsotra ary hananganana fotodrafitrasa. Raha mieritreritra ny hanamboatra kianja vaovao eny ifotony ny fanjakana ho fampiroboroboana ny fanatanjahan-tena, dia tokony hatao aloha izay hijanonan’ireo kianja efa misy mba tsy ho lasan’ny olon-tsotra, indrindra fa ny vahiny.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi