La Gazette de la grande ile

Lalaon’ny Nosy : Afa-baraka ny atleta Malagasy any Maurice

Publié le 23 juillet 2019

Tsy araka ny napoizina azy ny vokatra azon’ny Malagasy manao ny fifaninanan’ny Nosy any Maurice amin’izao fotoana izao. Raha ny vokatra azo hatramin’izay efatr’andro nanaovana fifaninana izay dia medaly alimo iray no mba azon’ny Malagasy tamin’ny taranja bisikileta. Ny akanjo tokony hoan’ny atleta aza hadino taty Madagasikara ka akanjo nindramina no nanaovan’ny mpihazakazaka.

Teo amin’ny lomano dia mbola tsy nitoko, nefa ny fifaninana efa kely sisa. Ny Barea izay nandrandraina dia nanao ady sahala tamin’ny Seychelles teo amin’ny baolina kitra nefa dia mbola nalaza eran-tany izany tao anatin’ny volana jona sy jolay 2019 iny.

Ny ekipa frantsay avy atsy La Réunion no mitazona ny lohany hatramin’izao amin’ny medaly volamena.Soa ihany fa mba nisy ny fibatana fonjamby no nahazoana medaly telo volamena omaly.

Mazava ho azy fa tsy hahazo voalohany isika Malagasy ary tsy halaza toa iny Barea iny ny  vokatry ny lalao ho azon’ny Malagasy.

Aza adino fa  tsy azo andrefesana ny fanatanjahantena eto Madagasikara iny vokatra azon’ny Barea iny.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi