La Gazette de la grande ile

Fadin-tseranana Malagasy : 600 miliara ariary ny vola very tao anatin’ny 3 taona

Publié le 12 août 2019

Amin’ny ankapobeny dia nihatsara ny fitantanana ny fadin-tseranana Malagasy tamin’ity taona 2019 ity raha ampitahaina ny tamin’ny taona 2018. Raha ny tatitra farany nataon’ny tale jeneralin’ny Fadin-tseranana, andro vitsy lasa izay, dia nahatratra hatrany amin’ny 1335.4 miliara ariary ny vola nampidirin’ny fadin-tseranana ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ny 3 volana voalohan’ny taona 2019 raha toa ka nitentina 1251 miliara ariary izany tamin’ny taon-dasa. Midika izany fa nitombo 84.4 miliara ariary ny vola ny vola niditra tao amin’ny fadin-tseranana raha ny 3 volana voalohany no jerena. Raha ny vinavina dia mety ho tsara kokoa noho ny tamin’ny taona 2018 ihany koa ny vola miditra ho an’ny 3 volana faharoa. Na eo aza anefa izay fitomboan’ny vola miditra izay, dia mbola vola be tsy toko tsy forohina ihany koa very, izany hoe tokony hiditra ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana kanefa tsy tafiditra noho ny resaka hosoka sy kolikoly amin’ny endriny samihafa. Raha ny fanazavana nomen’ny praiminisitra Ntsay Christian, omaly, dia mitentina hatrany amin’ny 600 miliara ariary ny vola very (manque à gagner) tao anatin’ny 3 taona farany. Misy hatrany moa ny ezaka ataon’ireo tompon’andraikitra hisorohana izay fahaverezam-bola  izay. Tafiditra ao anatin’ny asa fanatsarana ny tontolon’ny fadin-tseranana izay ny famoahana “Inspecteurs des douanes” vaovao miisa 30. Omaly teny amin’ny CCI Ivato moa no nanolorana ny diplaoma ho an’ireto vao nahavita fiofanana ireto. Ankehitriny dia tafakata 176 ny isan’ireo “Inspecteurs des douanes” eto Madagasikara.  Nanatrika ny lanonana teny amin’ny CCI Ivato omaly moa ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ary tamin’izany no nanambaran’ity farany fa vola mitentina hatrany amin’ny 600 miliara ariary no very.

F.Tsihiavonana

Lire aussi