La Gazette de la grande ile

Ambalavao : Rongony 2 kitapo tratra tao anaty taxi-brousse

Publié le 14 août 2019

Efa maro no tratra amin’ny fitondrana rongony amin’ny fitateram-bahoaka nasionaly ary efa nidoboka am-ponja ny akamaroan’izy ireo.

Mbola misy ihany anefa ireo minia mikipy na manao ny mpitandro filaminana ho tsy misy ka mbola manohy ny asa ratsiny ihany.

Fiaram-pitaterana avy tany Analalova kaominina Iarintsena, distrikan’Ambal-

avao no nahatratraran’ny zandary miasa ao amin’ny “Brigade de police routière” Fianarantsoa, olona roa nitondra sakaosy roa feno rongony nandritra ny fisafoana ny lalam-pirenena fahafito iny, omaly maraina

Raha ny fantatra dia avy any Ihosy no nangalan’izy roalahy ireo rongony, nataon’izy ireo toy entana tsotra no fitondra azy saingy mailo ireo zandary mpisava ka sarona ny asa ratsin’izy ireo.

Taorian’ny famotorana natao azy ireo dia niroso tamin’ny fandorana ireo rongony rehefa vita ny antonta-taratasy momba izany. Izy roalahy kosa dia samy notanana am-ponja vonjy maika miandry ny fotoam-pitsarana azy.

A.M

Lire aussi