La Gazette de la grande ile

Antananarivo : Maro ny faritra voakasika ny fahapatahan-drano

Publié le 14 août 2019

Faritra maro eto Antananarivo no miahiahy ny olana momba ny famatsian-drano ny Jirama. Vao tsy ela akory izay no nitokona ny mponina Ankatso mba hanairana ny fitondram-panjakana noho ity resaka fahatapahan-drano maharitra ity. Mbola tsy hita anefa hatramin’izao ny vahaolana manoloana izany. Anisan’ny mampikaikaika ny mponina eny amin’ny fokontany Ampandrianomby-Tsarahonenana ihany koa amin’izao ny filaharana rano. Eo amin’ny adiny iray hatramin’ny adiny roa isakalina eo ho eo ihany no mba mandeha ny rano eo anivon’ity fokontany ity. Taorian’ny asa fanamboarana ny paosin-drano tapaka teny Antanimora avaratra, dia tapaka ny famatsian-drano ny maraina ny talata 13 aogositra ka hatramin’ny faran’ny asa nokasaina tamin’ny 2 ora tolakandro teo amin’ny manodidina ny Antsakaviro / Ambaranjana, Antanimora avaratra sy Ambanin’i Mausolée. Marihana fa hifarana amin’ny faran’ny volana aogositra izao ny asa fanamboarana ny tobim-pamokarana rano ao Amoronakona. Aorian’ny fitsapana sy fanamarinana farany, ny ranon’ny tobim-pamokarana rano fisotro vaovao dia hanome rano ny faritra Atsinanana manomboka amin’ny 10 septambra. Nanara-maso ny fivoaran’ny asa teo an-toerana omaly ny ekipan’ny minisiteran’ny Angovo, ny rano ary ny akoranafo. Efa nisy herintaona izao ny olana teo amin’ny famatsian-drano tao amin’ny fokontany Ambohibe Mangarano. Eo ampiandrasana ny vahaolana mazava sy maharitra dia kamiao “citerne” iray no mizara rano maimaimpoana ao amin’ity distrika ity, sahala amin’ireo faritra hafa voakasika ny tsy fahampian-drano.

N A

Lire aussi