La Gazette de la grande ile

Herisetra ataon’ny mpitandro filaminana : Mampaneno lakolosy ny CINDH sy ny Firenena Mikambana

Publié le 14 août 2019

Omaly 13 aogositra no andro natokan’ny Firenena Mikambana hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho fanohanana ireo olona hiharan’ny herisetra na fampijaliana avy amin’ny mpitandro filaminana. Nanamarika an’io andro io ihany koa isika Madagasikara tamin’ny alàlan’ny atrikasa natao teny amin’ny foiben’ny Firenena Mikambana eny Andraharo. Tao anatin’izay atrikasa izay no nanararaotra nanao tatitra ny fanadihadiana nataony mikasika izay herisetra sy fampijaliana (torture) ataon’ny mpitandro filaminana izay ny CNIDH na ny filankevi-pirenena mahaleo tena ho an’ny zon’olombelona. Fanadihadiana izay natao tamina fonja miisa 23 amin’ireo 82 misy eran’ny Nosy. Mitotongana ny fanajana ny zon’olombelona avy amin’ireo mpitandro filaminana raha ny tatitra nataon’ny CNIDH. Manjaka ny fampijaliana sy herisetra atao amin’ireo voafonja sy ireo olona voatana vonjimaika eny amin’ny zandary sy ny pôlisy raha ny fanadihadiana natao kanefa manome ny tsy maty manota eto amin’ny firenena izany trangan-javatra izany. Maro moa ny fitarainana efa nataon’ny CNIDH momba izay tsy fanajana ny zon’olombelona izay, saingy tsy misy tohiny avokoa ny ankamaroan’ireo fitarainana natao noho ny antony maro. Nohararaotina moa ny fanamarihana ity andro iraisam-pirenena omaly ity mba hanairana ny fitondram-panjakana manoloana izay tsy fanajana ny zon’olombelona avy amin’ny mpitandro filaminana izay.

F.Tsihiavonana

Lire aussi