La Gazette de la grande ile

Fandalovan’ny Papa François : Mpino 6 hetsy avy any amin’ny faritra no ho avy eto Antananarivo

Publié le 14 août 2019

Tsy mbola nisy angamba teto amin’ity Madagasikara ity ka hoe olona maherin’ny 6 hetsy avy amin’ny faritra no indray hihazo an’Antananarivo raha tsy amin’io fandalavon’ny Papa François eto amintsika io. Tsy moramora ny fandaminana izany ka mila fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fiangonana katôlika sy ny fanjakana. Manoloana izany indrindra dia nisy ny fivoriana manokana natao teny amin’ny Toby Ratsimandrava, omaly, nametrahana ny lamina rehetra mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fitaterana sy ny fivahinianan’ireo mpino katôlika maherin’ny 6 hetsy eto Andrenivohitra. Fivoriana izay niarahan’ny tompon’andraikitra avy amin’ny mpitandro filaminana sy eglizy katôlika. Fantatra ary ankehitriny fa hatsangana isaka ny Diosezy rehetra manerana ny Nosy ny komity mpikarakara izay handrindra ny fiakaran’ireo mpino eto Andrenivohitra ka ny 2 septambra ho avy izao no hanainga ny andiany voalohany. Tsiahivina ihany fa ho fisorohana ny loza mety hiseho eny an-dalana mandritra ny fitaterana ireo mpino dia tsy maintsy mandalo fitsirahana manokana avokoa ireo fiara rehetra hitatitra olona. Fepetra izay noraisin’ireo tompon’andraikitra  eo anivon’ny Direction de la Sécurité (DSR). Marihana fa ho avy hanatrika ny lamesa lehibe ho tarihin’ny Papa François eny Soamandrakizay daholo ireo mpino maherin’ny 6 hetsy avy any amin’ny faritra, miampy ireo manodidina ny 8 alina sy 5 hetsy avy eo anivon’ny arsidiosezin’Antananarivo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi