La Gazette de la grande ile

Marc Ravalomanana : Te ho lehiben’ny mpanohitra

Publié le 14 août 2019

sa ben’ny tanàna ? Misongadina eo amin’ny vaovao ara-pôlitika tato ho ato ny resaka fifidianana ben’ny tanàna sy ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eto amin’ny firenena. Raha ny momba ity farany no resahina dia ingahy Marc Ravalomanana sy ny antoko TIM no lasa mibahan-toerana ao anatin’ny ady hevitra. Miziriziry mafy mantsy ny TIM fa izy ireo irery ihany no mpanohitra ara-dalàna eto amin’ny firenena ka ny filoha mpanorina ny antoko, Marc Ravalomanana, no tokony handray ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eny Tsimbazaza. Raha ny fantatra anefa dia mety tsy hahazo izany toerana izany mihitsy ity filoha teo aloha ity, raha ny voalaza ao anatin’ilay volavolan-dalàna mifehy ny fanoherana izay haroson’ny governemanta eny amin’ny parlemanta. Na mbola tsy misokatra aza ny ady hevitra ao amin’ny Antenimierampirenena dia efa naneho ny tsy faneken’izy ireo an’io tolo-dalàna haroson’ny governemanta io ireo solombavambahoaka TIM noho izay tsy fahafahana manendry an’i Marc Ravalomanana ho lehiben’ny mpanohitra eny Tsimbazaza.  Andrasana amin’izao fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta izao ny tohin’ny raharaha satria ireo depiote sy loholona no hanapaka ny momba izay. Raha ny fifidianana ben’ny tanàna indray no resahina, izay mety ho tanterahina amin’ny volana novambra ho avy izao araka ny siosion-dresaka mandeha, dia niarahan’ny rehetra nahita ny fitakiana nataon’ireo mpizaika tamin’ny kaongresin’ny antoko TIM izay nangataka ampahibemaso ny firotsahan’i Marc Ravalomanana kandidà ho ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra. Tsy kisendrasendra akory na zavatra mandehandeha ho azy ireny fitakiana nataon’ny mpikambana ao anatin’ny antoko TIM ireny fa toe-javatra ahitàna taratra sahady fa i Marc Ravalomanana no hifaninana amin’ny kandidà hatolotra ny fitondrana eto Antananarivo Renivohitra. Manoloana izany rehetra izany dia mipetraka ny fanontaniana : “ny toeran’ny lehiben’ny mpanohitra eny Tsimbazaza ve no tena tadiavin’i Marc Ravalomanana sa ny toeran’ny ben’ny tanàna eto Antananarivo?”. Raha ny fifidianana ben’ny tanàna mantsy no resahina, azo antoka fa ho sarotra ho an’ny antoko TIM ny handresy eto Andrenivohitra raha mbola i Lalao Ravalomanana no harotsak’izy ireo. Araka ny teny nataon’ny filoha Andry Rajoelina teny amin’ny Fitsarana avo Anosy, tao aorian’ny fianianana nataon’ny tale jeneralin’ny Bianco vaovao, dia anjaran’ny vahoaka no mitsara ny zava-bitan’ireo ben’ny tanàna ka sarotra ny inoana fa mbola hamerina an-dRamatoa Lalao Ravalomanana eo amin’ny fitantanana ny kaominina ny vahoakan’Antananarivo raha mijery ny asa vitany, tao anatin’ny efa-taona.

F.Tsihiavonana

Lire aussi