La Gazette de la grande ile

Tononkalo : Kinanga

Publié le 11 septembre 2019

Anananao saina matsilo

anaty vatana tomady,

ny tokantrano matsiro,

voakarakaram-bady.

 

Ianao bolangilangina,

miadana am-panambadiana,

tsara tarehy mandimandina,

vokisan’olon-tiana.

 

Fa raha sendra fotoana-tsarotra,

ianao aza mba tia tena,

hitady foana tombom-barotra,

hiverenan’ny masonkarena.

 

Tsara soratra ny akanga,

azo asiana faharoa ny birao,

tandremo fotsiny manao kinanga,

aza ilaozana ny vadinao.

 

Antso Handresy Rabearimanana

 

 

Lire aussi