La Gazette de la grande ile

Noho ny fatiantoka : Hitory ny orinasa AB Events ireo mpivarotra sakafo teny Soamandrakizay

Publié le 11 septembre 2019

Fotoana tsy ho adinon’ireo mpivarotra sakafo teny Soamandrakizay iny lamesa lehibe notarihan’ny Papa Fransoà iny. Raha fitadiavana tombom-barotra no nandehanana teny Soamandrakizay dia fatiantoka iray lavaka no nahazo ireo mpivarotra rehetra teny an-toerana. Mpivarotra miisa 280 no voakasika amin’izany, ireto farany izay mahatsiaro ho voafitaky ny orinasa AB Events izay tompon’andraikitra voalohany ny varotra nandritra ity lamesa notarihan’ny Papa Ray Masina ity. Maty antoka ireo mpivarotra satria tsy nisy lafo daholo ny sakafo nokasaina hamidy teny an-toerana noho ny vovoka be loatra kanefa 6 hetsy ariary ka hatramin’ny 8 hetsy ariary ny hofana tranoeva na “stand” iray. Andro vitsy mialohan’ny lamesa, nandritra ny fivoriana ara-teknika niarahana tamin’ireo mpivarotra, dia nilaza ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa AB Events fa hisy ny akora manokana nafarana avy any Inde ka rehefa araraka eny Soamandrakizay io akora io dia tsy hisy intsony ny vovoka be matevina mety hanimba ny tsenan’ireo mpivarotra. Tsy izany anefa ny zava-nitranga satria tsy nisy an’io akora manokana io akory teny Soamandrakizay fa fitaka fotsiny no nataon’ny orinasa AB Events. Ankoatra ny vovoka dia niteraka olana lehibe ho an’ireo mpivarotra ihany koa ny resaka herinaratra kanefa nampanantenaina izy ireo fa tsy misy olana mihitsy ny famatsiana izay herinantra izay eny an-toerana. Raha ny fanazavana nomen’ny solontenan’ireo mpivarotra izay nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly, dia vola 16 tapitrisa ariary ka hatramin’ny 20 tapitrisa ariary ny vola nampiasain’izy ireo kanefa izao fatiantoka iray lavaka izao. Manoloana izany indrindra, nilaza ny hanao fitoriana faobe ny orinasa AB Events ireo mpivarotra noho ny tsy faneken’izy ireo ny fitaka bevava nataon’io orinasa io.

F.Tsihiavonana

Lire aussi