La Gazette de la grande ile

Marc Ravalomanana : Miavaka amin’ireo samy adalam-pahefana

Publié le 11 septembre 2019

Raha ny pôlitika no resahina dia mbola miavaka ny kaontinanta afrikanina raha ampitahaina amin’ireo kaontinanta hafa. Miavaka satria raha ny hita amin’ny ankamaroan’ireo firenena aty Afrika dia diso tia fahefana loatra ny mpanao pôlitika afrikanina. Raha mijery ny zava-misy any amin’ireo firenena Eoropeanina ohatra, tsy mba manaitra ny olona izany hoe mpikambana iray ao anatin’ny governemanta mametra-pialàna rehefa tsy nahavita ny asa nampandraiketana azy. Tsy mba fahita eto Afrika izany minisitra na praiminisitra mametra-pialàna izany satria ny tanjona voalohany hanaovana pôlitika dia ny hahazoana seza mba ahafahana mangoron-karena ao anatin’ny fotoana fohy. Raha ny eto Madagasikara no resahina, dia ingahy Marc Ravalomanana no tena azo itarafana izay hoe mpanao pôlitika adalam-pahefana izay, ary manana ny mampiavaka azy manokana ity filoha mpanorina ny antoko TIM ity. Amin’ireo mpitondra afrikanina adalam-pahefana rehetra mantsy dia i Marc Ravalomanana irery no mbola hilatsaka kandidà ho ben’ny tanàna kanefa efa filoham-pirenena nandritra ny 7 taona. Na tia fahefana toa an-dRavalomanana aza ny ankamaroan’ireo filoham-panjakana taty Afrika, tsy nisy niverina ben’ny tanàna izany intsony rehefa niala teo amin’ny fahefana. Tsara marihana fa nanao fanambarana tao amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Le Louvre etsy Antaninarenina ireo lohandohany mpitarika ny vovonana RMDM na ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demôkrasia eto Madagasikara, omaly, ary nanolotra an’i Marc Ravalomanana ho kandidàn’izy ireo eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Mazava ankehitriny fa tena hilatsaka ho fidiana ity filoha teo aloha ity satria izy tenany no filohan’ny RMDM ka tsy hanao an’izany fanambarana izany ireo mpanao pôlitika lohandohany ao amin’ny RMDM sasany raha tsy nahazo baiko avy aminy. Rehefa azo antoka fa tsy ho azony intsony ny toeran’ny lehiben’ny fanoherana eny Tsimbazaza, dia ny toeran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra indray no hihazakazahan’i Marc Ravalomanana. Tsy mety amin’ity kandidà resy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ity mantsy ny miaina toy ny olom-pirenena tsotra fa amin’ny maha adalam-pahefana azy dia tsy maintsy mipetraka amina seza, na inona na inona toerana. Ho an’ireo mpomba an-dRavalomanana mahafatra-po, tsy misy olana mihitsy izany hoe efa filoham-pirenena dia mbola hihazakazaka ho ben’ny tanàna satria efa jamban’ny fanatisma loatra ka tsy afaka misaina araka ny tokony ho izy intsony. Averina ihany fa adalam-pahefana daholo ny ankamaroan’ireo mpitondra taty Afrika, nanomboka tany amin’ny taona 50 sy 60 tany, saingy tsy nisy nanao tahaka izao ataon’i Marc Ravalomanana izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi