La Gazette de la grande ile

Papa François : Takaro ny tiany hampitaina

Publié le 11 septembre 2019

Vita tanteraka iny ny fitsidihan’i Papa François-1er teto Madagasikara ny omaly faha 10 septambra 2019. Fivahinianana izay naharitra efatra andro. Ny zoma faha 6 septambra 2019 tamin’ny 4 ora tolakandro no nigadona teny amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra azy. Ny filoham-pirenena Malagasy Andry Nirina Rajoelina no nandray azy teo ampahatongavana niaraka tamin’ny fianakaviamben’ny filohan’ny fiangonanana katolika ny Mgr Tsarahazana Desiré sy ny « Nonce » apostolika izay masoivohon’i Vatican eto Madagasikara ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, ary ny mpino katôlika sy ny olona manan-kaja maro.

Marobe koa ireo Malagasy avy amin’ny finoana hafa no tonga niaraka nitsena an’i Papa François.

Ny talata faha 10 septambra 2019 izy no niala teto Madagasikara nihazo an’i Rôma izay misy an’i Vatican izay foiben’ny fivavahana katôlika Rômana (Ecar).

Raha tsiahivina dia roa andro izy no tao Mozambika. Efatra andro no nivahinianany teto Madagasikara amin’ny ankapobeny, ary indray andro no namangiany an’i Maurice, izay nosy rahavavy atsy atsinanan’i Madagasikara.

Raha izay fotoana nipetrahany teto Madagasikara izay no ezahina ho fantarina dia mazava ho azy fa i Madagasikara izany no tena anton-diany tamin’izao fivahinianany izao. Misy antony lehibe izany ka tsara ho fantarina.

Noho izany dia tokony hofantarina ny antony nanokanany fotoana manokana ho an’i Madagasikara. Inona no hevitra tian’i Papa hampitaina amin’ny vahoaka Malagasy fa indrindra ny mpitondra azy sy ny relijiozy ?

Miainga amin’ny teny sasantsasany izay heverinay fa lehibe tamin’ny kabary izay nataony tamin’ny fitsidihana ireo toerana efatra lehibe tamin’iny fotoana iny isika dia ny lapam-panjakana teny Iavoloha izay nihaonany tamin’ny filoham-pirenena, ny mpanao pôlitika tsy ankanavaka, ny masoivoho vahiny ary ireo fiaraha-monim-pirenena.

Ny faharoa dia ny fihaonany tamin’ny Môpera Pedro teny amin’ny Akamasoa izay misy olona mahantra aman’alina izay velomina sy beazina eny amin’ity toerana ity.

Ny fahatelo dia ny fihaonany tamin’ny mpino kristianina katôlika teny Soamandrakizay tamin’ny alalan’ny lamesa lehibe izay nahavory mpino katôlika miisa iray tapitrisa.

Ny fahefatra farany dia fihaonany tamin’ny eveka sy ny relijiozy ary ireo mpianatra ho relijiozy tetsy amin’ny St Michel tetsy Amparibe.

Ny nisehoany ireo fa nisy koa ny fihaonana manokana izay nataony ka mbola tsara ho fantatra ireny satria ireny no tena ahitana ny antsoina hoe tsiambaratelo.

Raha fintinina ny zava-dehibe voalazany dia ny raharahan’ny kolikoly, ny ady amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahantrana ary ny hafatra ho an’ny tokony handraisan’ny relijiozy sy ny pretra andraikitra amin’ny fahantrana misy eto Madagasikara. Nomarihiny koa fa tokony hiara-miasa amin’ny laika ny fiangonana katôlika sy ny relijiozy amin’izany.

Eo anatrehan’ireo fanamarihana voarainay ireo dia nataon’i Papa ho an’ iza izany ny teny momba ny kolikoly iny ?

 Mazava ho azy izany fa hoan’ny mpitondra firenena aloha dia ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany izay tarihin’ingahy Andry Nirina Rajoelina. Miantefa amin’ny mpanao pôlitika mpanohitra sy ireo ivelan’ny fitondrana koa izany, ary farany natao ho an’ny sokajin’olona maro isaka ny toerana misy azy izay anjakan’ity kolikoly ity.

Fantatr’i Papa François tsara izany ny olana eto Madagasikara raha ireny teniny ireny no vakiana tsara sy halalinina sy takarina.

Mahakasika ny fanimbana ny tontolo iainana indray dia mazava koa ny tenin’i Papa Ray Masina iny fa miantefa amin’ny mpitondra koa izany. Niaraha-mahalala fa nanimba ny tontolo iainana teto Madagasikara ny fanondranana andramena na “bois de rose” nanomboka tamin’ny fanjakan-dRavalomanana Marc ny taona 2001-2009, ny fanjakana Tetezamita 2009-2013 izay nitondran’ingahy Andry Rajoelina ary ny repoblika fahefatra izay nitondran’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny taona 2014-2018. Potika izay tsy izy ny tontolo iainana tamin’ireny raharaha ireny ankoatra ny doro tanety sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena ankibon’ny tany izay nataon’ny mpitondra ambony teto amin’ny firenena ireo niaraka tamin’ny Sinoa sy ny teratany vahiny hafa.

Dia niresaka ny fahantrana koa izy satria olana ara-pitondrana no fototr’izany ka ny mpanao pôlitika ivelan’ny fitondrana izay mety hitondra rahampitso sy ny mpitondra ankehitriny no tena voakasik’izany.

Isan’ny zava-dehibe nolazain’i Papa iny ny tsy hijeren’ny relijiozy ny fahantrana izay mahazo ny vahoaka ka tokony handraisan’izy ireo andraikitra. Midika izany fa manamafy ny fivorian’ny eveka eto Madagasikara amin’ny raharaham-pirenena izy ireo na hiditra lalindalina kokoa nohon’ny teo aloha.

Ireo izany ilay voandàlana nentin’i Papa ho an’ny Malagasy izay noteneninay hoe “tonga i Papa hitondra mofo” ny herinandro lasa teo teto amin’ity gazety ity.

Ho an’ny mpino kristianina dia ny lamesa tetsy amin’ny Soamandrakizay no nahamay azy. Ny mpitondra fanjakana indray izay notarihin’ingahy Andry Rajoelina dia ny fanehoana sy ny fanamafisana ny IEM (Initiative pour l’émergence de Madagascar) sy ny velirano no nahamay azy ary nampahafantarany an’i Papa tamin’ny kabariny. Ny mpanaraka ny raharaham-pirenena indray dia nitakatra ireo zavatra tian’i Papa hampitaina teto amin’ny firenena. Samy nanana ny fomba fandraisany izy ireny ary nino fa hitondra fivoarana eto amin’ny firenena izany.

Mitondra zava-baovao ho an’ny firenena ny fitsidihan’i Papa toa ireny hatramin’izay matetika. Tsy ny lafiny finoana ihany fa ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny ka hatrany amin’ny resaka pôlitika. Ny ampitso no ahafantarantsika izany.

Jesy Rabelaolao

 

Lire aussi