La Gazette de la grande ile

Kaominina Ambohimangakely : Voahilika ihany koa ny tena mpitolona

Publié le 26 septembre 2019

Tsy mbola miova ny fomba fanaovana pôlitika eto amintsika. Amin’izao fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly izao dia maro amin’ireo olona tena nitolona ary nampandany an’i Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo no tsy faly noho ny fanilihana natao azy ireo. Ny zava-misy amin’ny kaominina maro eran’ny Nosy mantsy dia ireo olona na mpanao pôlitika mpamadika palitao no lasa kandidàn’ny antoko eo amin’ny fitondrana na ny IRK, izany hoe nahilika ireo olona tena nitolona tao anatin’ny antoko TGV na ireo nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin’ny fampandaniana ny filoha am-perinasa. Iray amin’ireo kaominina voakasika amin’izany ohatra ny kaominina Ambohimangakely, ao amin’ny distrikan’Avaradrano. Ny ben’ny tanàna am-perinasa izay lany tamin’ny anaran’ny HVM tamin’ny taona 2015 indray mantsy no lasa mitondra ny anaran’ny IRK amin’ny fifidianana ho tanterahina ny 27 novambra ho avy izao. Ity ben’ny tanàna am-perinasa ity izay efa nitondra ny anaran’ny antoko TIM tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, efa mpikambana tao amin’ny Malagasy Miara-Miainga, nivadika tamin’ny fitondrana teo aloha, ary izao nivadika ho IRK izao indray. Raha ny tokony ho izy anefa dia ingahy Andrianarivo Del Christo no tokony natolotra ny antoko eo amin’ny fitondrana fa noho ny kajikajy maloto nataon’ny depiote IRD voafidy tao amin’ny distrikan’Avaradrano dia ilay ben’ny tanàna HVM am-perinasa indray no nilatsaka amin’ny anaran’ny IRK. Tsara anefa ny manamarika fa i Del Christo no niady mafy tamin’ny fampandaniana ny filoha amperinasa tao amin’ity kaominina Ambohimangakely ity, ary tamin’ny volana desambra tamin’ny taon-dasa dia efa nahazo ny tso-dranon’ireo mpanohana ny filoha Andry Rajoelina ny tenany mba ho kandidà amin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Noho ny finiavany hampandroso ny kaominina anefa dia tsy maintsy nilatsaka ho fidiana ingahy Del Christo amin’ny anaran’ny tsy miankina. Ny ankamaroan’ireo fikambanana manohana ny fitondrana ankehitriny ao Ambohimangakely moa dia tsy faly tamin’ny nanoloran’ny IRK an’ity ben’ny tanàna HVM sy mpamadika palitao ity ka nisafidy izy ireo ny hanohana ny kandidà Del Christo izay mitondra ny laharana 6. Ity farany izay nanambara fa na nisy aza izao fanilihana azy izao, izay nataon’ny depioten’Avaradrano, dia vonona ny hiara-hiasa amin’ny fitondrana foana ny tenany raha toa ka lany ben’ny tanàna. Malahelo anefa i Del Christo satria maro amin’ireo mpanao pôlitika izay miara-dia amin’ny filoha am-perinasa no tsy miala amin’ny fomba ratsy fanao hatramin’izay.

                                                                                                      F.Tsihiavonana

Lire aussi