La Gazette de la grande ile

Fanadinana Bakalorea : Laza adina iray tamin’ny taranja filôzôfia ny resaka pôlitika

Publié le 01 octobre 2019

Nanomboka omaly ary hifarana amin’ny alakamisy izao ny fanadinam-panjakana fahatelo ho an’ity taom-pianarana ity, dia ny bakalorea. Toy ny isan-taona dia nanokatra ny fanadinana, omaly, ny taranja filôzôfia sy ny anglisy. Ho an’ny filôzôfia manokana, laza adina telo no naroso an’ireo mpiadina ka ny iray amin’izy ireo ihany no fakafakaina toy ny mahazatra. Resaka pôlitika moa ny iray tamin’ireo laza adina naroso ny mpiadina, dia ny teny nataon’ny filôzôfa Nicolas Machiavel manao hoe “ny fanjakana dia mila mampiasa hery, mampiasa lalàna ary fitapitaka sy lainga eo amin’ny fitondrana vahoaka”. Maro tamin’ireo mpiadina no nisafidy ity laza adina ity satria noheverini’zy ireo fa mora kokoa ary mifanaraka amin’ny toe-draharaha pôlitika nisy teto amin’ny firenena hatramin’izay. Efa teto tokoa mantsy ny fanjakana mampiasa ny mpitandro filaminana ho hery famoretana rehefa misy ny fihetsiketsehana an-dalambe ataon’ny olom-pirenena izay manohitra ny fitondrana mijoro. Torak’izany koa ny lalàna, efa matetika nitranga teto foana ny fanodinkodinana ny lalàna ho an’ny tombotsoan’ny mpitondra ary ireo mpahay lalàna mihitsy no hampiasaina amin’izany. Ny famitaham-bahoaka avy amin’ny mpitondra moa iny efa tsy mahagaga intsony eto amintsika.

F.T.

Lire aussi