La Gazette de la grande ile

Halatra herinaratra : Tranga miisa 91 no tratran’ny Jirama ta anatin’ny enim-bolana

Publié le 03 octobre 2019

Tafiditra ao anatin’ny paik’ady hanarenana ny orinasa Jirama ny ady atao amin’ny halatra herinaratra. Mitohy hatrany ny fitsirihana ataon’ity orinasam-panjakana ity ka tao anatin’ny enim-bolana dia trangana halatra herinaratra miisa 91 no tratra. Teny Andohanimandroseza ny tranga farany ka trano lehibe iray misy rihana roa no tra-tehaka nangalatra herinaratra. Marihana fa raha ny fitsipika eo anivon’ny Jirama dia hampanonerana ny sandan’ny herinaratra nampiasainy maimaim-poana ny olona tratra nanao izany. Raha toa anefa ka mandà ny handoa izany ilay olona dia voatery mampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny orinasa. Marihana fa nahatratra 351 ny fitsirihana natao teo anelanelan’ny volana febroary ka hatramin’ny volana jolay lasa teo. Ankoatra izay halatra izay dia trangana hosoko miisa 257 kosa no tratra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi