La Gazette de la grande ile

Pôlitika : Aza mbola mimenomenona sy mitaraina

Publié le 07 octobre 2019

Tsy mbola iray taona akory izay no nitondrana tamin’izao fanjakana andiany faharoa amin’ny repoblika fahefatra izao. Ny faha 19 janoary 2019 no nandray ny fanjakana ingahy Andry Nirina Rajoelina izay filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mbola tsy ampy 10 volana akory izay no nitantanany ny raharaham-pirenena. Izy no nisolo an’ingahy Hery Rajaonarimampianina izay filohampirenena ny taona 2013-2018. Niaraha-niaina sy nahita ny fiainam-pirenena tamin’ireny fotoana ireny. Zava-doza be no nitranga teto. Vokany 8% no vato nomen’ny Malagasy azy tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin’ny fifidianana ny volana novambra 2018 teo iny satria tezitra ny Malagasy. Tena tsy mbola nisy toa izany hoy ny tantara teto amin’ny firenena ka filoha amperin’asa no tsy nahazo 10% ny mpifidy.

Nampitaraina ny Malagasy rehetra ny fitondrana iny ary nampimenomenona sy nampitaraina ny vahoaka manontolo ankoatr’ireo izay niara-nitondra taminy.

Ankehitriny dia nisafidy indray isika an’ingahy Andry Nirina Rajoelina izay efa filoham-panjakana tamin’ny fanjakana Tetezamita ny taona 2009-2013. Niarahantsika nahita ny zava-bitany tamin’ireny fotoana ireny na dia tao anatin’ny fotoan-tsarotra aza no niainan’ny firenena Malagasy . Hopitaly manara-penitra, kianja manara-penitra, “coliseum” izay toerana fanaovana fampisehoana ho an’ny mpanakanto sy natao ho famoriana olona. Ny mpiasam-panjakana tamin’ireny fotoana ireny dia nahazo fisondrotan-karama 12% isan-taona na dia tsy nisy ny mpamatsy vola mahazatra nanome fanampiana ho an’i Madagasikara aza tao anatin’ny 5 taona iny, raha toa ka 10% no vitan’ny fanjakana teo alohany rehetra raha be indrindra. Maro tsy ho tambo ho isaina avokoa ny zava-nitranga tamin’ireny fotoana ireny.

Maro no fitarainana sy fimenomenomana any anivon’ny fiaraha-monina any ankehitriny. Tena marobe tsy ary ho voatanisa avy izy ireo. Mimenomenona amin’ny vidim-piainana nisondrotra isika satria efa miakatra ho 2000 ariary mahery izao ny vidin’ny vary iray kilao raha toa ka tokony ho vidina 1400 ariary izany. Niakatra koa ny vidin’ny fitaovam-pianarana. Manararaotra ny fahavalom-pirenena ka manao izay hampimenomenona ny Malagasy mba hilazana fa tsy mahomby ny fanjakana io. Lazaina izany mba tsy ho tompotrano mihono ny mpitondra fanjakana.

Eo anatrehan’izany rehetra izany dia mbola nijanona tsy nisy fisondrotany ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Rariny sy hitsiny izany satria nazava ny pôlitika misy amin’izao fotoana izao amin’ny fanisana ny tena mpiasam-panjakana marina. Mandeha ny fanisana ankehitriny ka ho hita eo ny tena ho isan’ny mpiasam-panjakana Malagasy. Voalaza tokoa fa hasondrotra izany karama izany rehefa vita tanteraka ny fanisana azy io ary mba hatao araka ny tokony ho izy fa tsy ho 10 na 12% toa ny teo aloha intsony. Koa aza dia malaky mitaraina sy mimenomenona isika.

Mahakasika ny fiverenan’ny tsy fandriam-pahalemana izay manomboka mahazo vahana indray amin’izao fotoana izao dia mitaraina sy mimenomenona ny vahoaka maro. Niaraha-nahita ny hetsika nataon’ny foloalindahy ary nisy ny fampandriana tany tamin’ny faritra maro izay voasokajy ho faritra mena. Nisy vokany izany tao anatin’ny enim-bolana taorian’ny fandraisan’ingahy Andry Nirina Rajoelina ny fitondrana ny firenena. Roa volana teo nefa izay dia nanomboka niverina indray ny asan-dahalo. Miseho amin’ny fanaovana takalonaina indray izany halatr’omby sy asan-dahalo izany amin’ny faritra maro. Bohiry, fira ambany no iantsoana ny “kidnapping” amin’izao fotoana izao.Tena mamely mafy any ambanivohitra ity raharaha ity. Lasa nivadika asa fampihorohoroana toa ny misy amin’ny faritra Afrika afovoany izay ataon’ny “Boko Haram” mpampihorohoro ireny.

Iaraha-mahita ny ezaka ataon’ny fanjakana na dia tsy tonga lafatra aza. Isan’ny takian’ny vahoaka any ambanivohitra ny fampiasana ny “hélicoptère” ho fanenjehana dahalo fa tsy hatao fitondrana zandary sy miaramila maratra fotsiny toa ny misy amin’izao fotoana izao fotsiny ihany. Io “hélicoptère” io no tena atahoran’ny dahalo sy ireo jiolahy any ambanivohitra hoy ny feo mandeha.

Tsy hita amin’izany asa izany nefa ity fitaovana ity ka mitaraina sy mimenomenona ny vahoaka.

Maro no vahoaka mitaraina ankehitriny satria tsy mbola hita aloha hatramin’izao ny fiovana izay nandrandraina. Tsy mbola hita koa ny fampanantenana nomena tamin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ho filohampirenena ny taona 2018 iny.

Mbola tsy fotoanan’ny fimenomenomana sy ny fitarainana izao. Mbola tsy ampy iray taona akory no nahazoana fitondrana. Aza malaky manenina fa avelao hiasa ny fitondram-panjakana.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi