La Gazette de la grande ile

Fianarantsoa : Olona 3 matin’ny kamiô tapaka hisatra

Publié le 23 octobre 2019

Nampivarahontsana ny mponina ao Isaha, any Fianarantsoa ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tany an-toerana, omaly tolakandro. Tapaka hisatra ilay kamiô lehibe mpitondra entana ka nifaoka olona maro. Vokany, lehilahy iray sy vehivavy 2 no maty teo no ho eo ary olona 8 hafa kosa naratra mafy. Ny loharanom-baovao azo avy an-toerana no nahafantarana fa efa ratsiratsy ny hisatr’ity fiarabe ity kanefa mbola nentina nitatitra entana ihany. Marihana fa anisan’ny tompon’andraikitra amin’ny trangana lozam-pifamoivoizana tahaka izao ny DGSR na ny « Direction Générale de la Sécurité Routière ». Io rafitra io mantsy no tompon’andraikitra voalohany raha misy ny lozam-pifamoivoizana. Ny fanaraha-maso ny fiara rehetra mifamoivoy eto amintsika dia andraikitra ny DGSR. Midika izany fa raha ny gaboraraka eo amin’ny fitsirahana ny fiara, dia tompon’andraikitra voalohany ity rafitra ity.

 F.T.

Lire aussi