La Gazette de la grande ile

Fiaraha-miasa amin’ny any ivelany : Mila mahay manararaotra ny fitondrana

Publié le 28 octobre 2019

Raha ireo firenena tandrefana ihany no mihazakazaka aty Afrika tany aloha tany, anisan’ny voalohany amin’izany i Frantsa sy Etazonia, dia niova izany ankehitriny satria maro amin’ireo firenena tatsinana no efa mitodika sy mihazakazaka aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Ny repoblika entim-bahoakan’i Sina hatreto no hita miharihary fa efa lasa lavitra eo amin’izay fiaraha-miasa amin’ny firenena afrikanina izany. Tsara marihana fa tao anatin’ny 10 taona teo ho eo izay dia mitàna ny laharana voalohany i Sina ny fampiasam-bola aty Afrika. Maro amin’ireo firenena afrikanina no mbola mifikitra mafy amin’ireo firenena tandrefana, indrindra fa i Frantsa, fa etsy ankilan’izay dia maro amin’ireo firenena afrikanina no manao laharam-pamehana ny fifandraisana ara-toekarena amin’ny firenena sinoa. Nandritra ny fihaonana an-tampon’i Sina- Afrika, izay natao tany Johannesburg farany teo, dia nampanantena ny filoha sinoa Xi-Jinping fa hampiasa vola hatrany amin’ny 60 miliara dôlara aty Afrika, manomboka amin’ity taona 2019 ity ka hatramin’ny taona 2021. Ny firenena japoney ihany koa nandritra ny TICAD na ny atrikasa iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny fampandrosoana an’i Afrika, izay notanterahina ny faran’ny volana aogositra lasa teo tany Yokohama, dia nampanantena fa hampitombo ny fampiasam-bola aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Manomboka miverina aty Afrika ihany koa ankehitriny ny firenena rosianina ary manaporofo izany ny fihaonana an-tampony voalohan’ny Rosia-Afrika, izay tanterahina any Sotchi any Rosia, amin’izao fotoana izao. Filoham-panjakana afrikanina maherin’ny 40 no fantatra fa mandray anjara amin’ity fihaonana an-tampony any Sochi ity, isan’izany ny filoham-pirenena Malagasy. Mbola sarotra moa ny hampitovy an’i Rosia sy i Sina raha miresaka ny momba izay fampiasam-bola aty Afrika izay, saingy ny azo antoka aloha raha ny teny nataon’ny filoha rosianina Vladmir Poutine tany Sochi, dia hanamafy ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana ara-diplômatika amin’ireo firenena afrikanina izy ireo manomboka eto. Manoloana izay fahavononan’ny firenena tatsinanana hanamafy ny fiaraha-miasa sy hampitombo ny fampiasam-bola aty Afrika izay, dia mila mahay manararaotra izany ny fitondrana mijoro eto amintsika. Ny fahavononan’ireto firenena tatsinana ireto hiara-hiasa akaiky amin’i Afrika mantsy dia midika fa tsy tokony hiantehitra be intsony amin’ireo firenena tandrefana mahazatra ny Afrikanina, ao anatin’izany i Madagasikara mazava ho azy. Tsy midika akory izany fa tokony hiala amin’ny tandrefana isika Malagasy, saingy kosa tokony hitodika bebe kokoa amin’ny tatsinanana izay mametraka an’ilay foto-kevitra hoe “gagnant gagnant” na samy mahazo tombony rehefa miara-miasa amina firenena mahantra na andalam-pandrosoana. Ireo firenena tandrefana mantsy efa hiarahan’ny rehetra mahafantatra fa mametraka ho laharam-pamehana ny tombotsoan’izy ireo aloha vao ny tombotsoan’ny hafa.

F.Tsihiavonana

Lire aussi