La Gazette de la grande ile

Solika : Filaharam-be koa ao Fianarantsoa

Publié le 31 octobre 2019

Efa andro vitsivitsy izao no tafaverina amin’ny laoniny ny famatsian-tsolika eto Antananarivo. Efa tsy ilaharana intsony. Ny fitondram-panjakana no nandray fepetra, ankoatra izay, nanasazy an’ireo vondrom-barotra tantanin’ny vahiny, misahana ny fandraharahana ny solika. Ny antony dia satria tsy voahajan-dry zalahy ireo ny voarakitry ny bokin’andraikitra tamin’ny fifanarahana nifanaovan-dreo tamin’ny fanjakana Malagasy.

Raha tsiahivina dia manipika io bokin’andraikitra io fa tsy tokony ho latsaka ny 21 andro ny tahirin-tsolika mba hitsinjovana ny olana ara-pamatsiana ho an’ny vahoaka.

Ny tranga iray hafa niseho dia ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny “Ofisy Malagasy momba ny akoran’afo” (Omh).

Na izany na tsy izany, mbola tsy mivaha ny olana. Tsy ny vahoakan’Antananarivo ihany mantsy no mpanjifa solika tokony hokarakarain’ireo vondrom-barotra vahiny ireo fa ny manerana an’i Madagasikara. Tsy any Taolagnaro na any Sambava na any Nosy Be no ianjadiam-pahasahiranana omaly momba an’io famatsian-tsolika io fa ny ao Fianarantsoa, 400km miala ny renivohitra.

Dia mihevitra ve isika fa mahavita azy ireo vondrom-barotra vahiny mandraharahan-tsolika ireo?

Ny dikan’izany, tsy ny tale jeneralin’ny “Omh” ihany no tokony nametra-pialana, ary tsy ny minisitra miahy ny akoran’afo ihany koa.

Mba jereo koa ny fepetra hafa, ankoatra ny fanasaziana ara-bola an’ireo vondrom-barotra misahana ny solika ireo fa ny vahoaka mihitsy ange no ataon’izy ireo kenda roroka e! Eo ny olana ara-pamatsiana solika fa tsy azo ekena ho rariny sy mifanandrify amin’ny fikatsahana ny tombontsoam-bahoaka koa ny vidin’ny solika anakendan-dreo ny vahoaka mpanjifa.

Na tapitra hiala aza ny mpitondra fanjakana ambony ka mbola omena vahana toa izao ireo vondrom-barotra mpandraharahan-tsolika itreo, dia tsy hisy fiainam-bahoaka hanjary eto.

Ny Banky Mondialy moa izany dia manandratra ny hoe “tokony halalahana fa tsy avela hataon’ireo vondrom-barotra efatra fotsiny ireo (Shell, Total, Jovena, Galana) ampihimamba ny fandraharahana ny solika eto”.

Marina izany saingy marina ilany ihany. Marina ilany satria ny tanjon’ny Banky Mondialy dia tsy hanalalaka ny sehatra hidiran’ny Malagasy, indrindra fa mety tsy ho afaka hisehatra amin’izany ny Malagasy, raha tsy ny Malagasy “saribakolin’ny vahiny”, fa ny mpiara-miombona antoka amin-dry zalahy mpampisambo-bola iraisam-pirenena ihany no tetehiny hiditra an-tsehatra eto, dia mitombo koa ny mpangeja ny vahoaka Malagasy izany amin’izay fotoana izay.

Ny toa izao no nijoroan’ny tia tanindrazana teto hatramin’ny 1996, nivarotan’ny mpitondra fanjakana teto ny Solima ho an’ny vahiny. Tamin’izany dia nilaza ny tia tanindrazana fa tsy mety raha io sehatra ny solika io no homena hoviravirain’ny vahiny tamin’ny alalan’ny fivarotan-tanindrazana nnatsoina tamin’ny teny mampody mandry hoe “privatisation”. Ny antony dia satria iankinan’ny aim-pirenena (stratégique) ny solika.

Io izy fa mipoitra ankehitriny.

Fa ambonin’izany, izao tranga izao koa no maha-marim-pototra ny fitakian’ny maro ny tsy maintsy ijoroan’ny vahoaka Malagasy mitaky ny hamerenan’i Frantsa an’ireo Nosy Malagasy manodidina. Ny antony dia satria misy tahirin-tsolika sy etona fandrehitra tsy hita pesipesenina ao amin’ireo Nosy Malagasy ireo.

Marina fa tsy vahaolana rahampitso dia rahampitso izany, fa raha izao no mitaky ka mahomby dia mba afaka eritreretrina dieny izao ny hifehezana ny raharahan-tsolika eto, hatramin’ny fampidinaa ny vidiny ho an’ny vahoaka satria efa misy ny antoka fa ho avy “ny maraina” amin’izay raharaha izay.

Ralay

Lire aussi