La Gazette de la grande ile

Taxibe namono olona teny Ivandry : Karohin’ny pôlisy fatratra ilay mpamily nitsoaka

Publié le 31 octobre 2019

Ny alarobia 23 oktobra teo no nisehoan’ny tantara. Vavy antitra iray niampita arabe no maty tsy tra-drano rehefa nodomin’ny taxibe iray avy amin’ny zotra 150. Vaky nandositra moa ny mpamilin’ilay taxibe tamin’io fotoana io ka navelany teo ny fiara sy ireo mpandeha. Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa karohin’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ity mpamily nitsoaka ity. Ratojoniaina Jean Claude moa no anarany ary mipetraka eny Antanandrano Ambohitrarahaba. Tato ho ato dia betsaka ireo mpampily no mitsoaka rehefa avy nandona ka nahafaty olona. Raha ny voalazan’ny lalàna moa dia mahavoasazy ary mety mampiditra am-ponja ny mahafaty olona ao anatina lozam-pifamoivoizana na dia tsy iniana nata aza.

F.Tsihiavonana

Lire aussi