La Gazette de la grande ile

Nosy Malagasy manodidina : Fa maninona no tsy raharahian’ny Malagasy ?

Publié le 31 octobre 2019

Niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fandalovan’ny filoha frantsay Emmanuel Macron tatsy amin’ny Nosy Glorieuse, ny herinandro lasa teo. Iray amin’ireo nosy kely antsoin’ny Frantsay hoe “Iles Eparses” ity nosy kely ity ary nohamafisin’i Emmanuel Macron fa an’i Frantsa ireo nosy kely malagasy ireo. Maro ny Malagasy tsy nankasitraka ny fihetsik’ity filoha frantsay ity satria ho azy ireo dia mbola endrika fanjanahana na fanitsakitahana ny fiandrianam-pirenena no nataon’i Emmanuel Macron. Tsy vitsy ireo olom-pirenena mihevitra fa tokony hampiseho firaisan-kina mihoatra lavitra noho ny tamin’ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara ireny ny vahoaka Malagasy, hanehoana amin’ny Frantsay sy amin’izao tontolo izao fa sarotiny amin’ny fiandrianam-pirenena sy ireo nosy malagasy ireo isika. Tsy izany velively anefa ny zava-mitranga satria any anaty tambazotra sôsialy ihany no maneho hevitra sy mitabataba ny Malagasy manoloana izay fihetsik’i Emmanuel Macron izay fa raha ny hoe hanao fihetsiketsehana eny anoloan’ny masoivoho frantsay dia tsy misy. Rehefa tena dinihana aza dia vitsy amin’ny Malagasy ihany no tena tohina na sorena tamin’ny teny nataon’i Macron fa ny ankamaroany dia tsy mivaky loha loatra. Misy aza moa ireo sahy milaza fa tsy misy tokony hiraharahiana an’izany Iles Eparses bodoan’ny Frantsay izany satria na ny harena misy eto amintsika aza tsy vitan’ny fanjakana no mifehy sy mitrandraka azy araka ny tokony ho izy. Rehefa atao ny fanadihadiana dia antony 3 lehibe farafahakeliny no mahatonga ny ankamaroan’ny Malagasy tsy hiraharaha loatra an’ireto Nosy kely manodidina ireto. Ny voalohany aloha dia noho ny tsy fahafantarana ny tena tombontsoa lehibe ho azo avy amin’ireo nosy ireo raha toa ka hain’ny fanjakana ny mitantana azy araka ny tokony ho izy. Tsy mahagaga izany satria maro ny Malagasy no tsy mahalala akory ny fisian’ireo nosy manodidina ireo, ary na mahafantatra aza dia tsy mahazo sary an-tsaina ny harena tsy hita pesipesenina misy ao. Antony lehibe faharoa dia mety noho ny fiheveran’ny Malagasy fa tsy hisy fiantraikany mivantana amin’ny fiainany ny fiverenan’ireo nosy ireo amin’i Madagasikara. Inona tokoa moa ny harena tsy misy eto, na ny harena ambonin’ny tany na ny harena ambanin’ny tany, saingy hatreto aloha dia mbola anisan’ireo vahoaka mahantra indrindra maneran-tany ny Malagasy. Antony lehibe fahatelo farany kosa dia ny tsy fahampian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny Malagasy. Tsy amin’ity resaka Iles Eparses ity ihany fa amin’ny lafin-javatra maro dia azo itarafana izay tsy fahampian’ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny Malagasy izay. Ny mpampianatra momba ny fifandraisana iraisam-pirenena, Radanoara Julien, dia nilaza raha naneho ny heviny momba ireto Nosy Malagasy manodidina ireto fa tsy hiverina amin’i Madagasikara na oviana na oviana mihitsy ireo nosy kely ireo raha tsy misy ny firaisan-kina sy fiaraha-mientana eo amin’ny vahoaka Malagasy rehetra.

F.Tsihiavonana

Lire aussi