La Gazette de la grande ile

Lita RNDC : «Mampitarazoka ny fampandrosoana ny ankamaroan’ny minisitra»

Publié le 08 novembre 2019

Na dia ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa aza no tena hiandraiketan’ny fikambanana RNDC (Réseau national de défense des consommateurs), dia manaraka akaiky ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny ihany koa ny filohan’ny fikambanana, Rabetsara Lita. Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, ankehitriny, indrindra fa eo amin’ny lafiny pôlitika sy ny fampandrosoana, dia mahatsapa sy mahita ny filoha nasionalin’ny RNDC fa mbola mitarazoka ny fampandrosoana ny firenena noho ireo minisitra maromaro ao anatin’ny governemanta mijoro ankehitriny. “Ny zavatra hita miharihary aloha hatreto dia manam-piniavana ny hampandroso haingana ny firenena ny filoha am-perinasa, saingy maro amin’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta no tsy mahavita manatanteraka ny asa hampandraiketan’ny filoha azy ireo ka mampitarazoka ny fampandrosoana. Misy amin’ireo minisitra no tena miasa araka ny tokony ho izy eo amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena, fa ny ankamaroany kosa dia tsy maharaka ny hafainganam-pandeha tadiavin’ny filoha hapetraka”, hoy i Rabetsara Lita, filohan’ny RNDC. Manoloana izany toe-javatra izany indrindra dia milaza i Rabetsara Lita fa fotoana izao tokony hanovàna ireo minisitra sasany ao anatin’ny governemanta. Nambarany fa raha mitarazoka loatra ny fampandrosoana sy ny fanarenana ny firenena dia ny filoha Andry Rajoelina no ratsy endrika eo anatrehan’ny vahoaka. “Tokony hahay hahatsapa tena ireo minisitra tsy mahavita azy ka tsy handeha hisisika ny mbola hijanona ao anatin’ny governemanta vaovao hatsangana intsony. Raha ny tena marina aza, tokony hametra-pialàna tahaka ny nataon’ny tale jeneralin’ny OMH ireo minisitra tsy mahavita ny asany fa tsy miandry hesorina”, hoy ihany Rabetsara Lita.

F.Tsihiavonana

Lire aussi