La Gazette de la grande ile

Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy : Misy andian-jiolahy mampihorohoro ny mponina

Publié le 08 novembre 2019

Kaominina iray mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo, eo atsinanan’Ivato no misy an’Ambatolampy Tsimahafotsy. 10 Km miala eo Soavimasoandro no misy ity kaominina ity raha miala eo Soavimasoandro mandeha amin’iny lalan’ny Frankôfônia iny. Ny zava-misy anefa, tao anatin’ny herinandro maromaro teo izay, dia mihorohoro tahaka ny mponina any amin’ireo toerana anjakan’ny asan-dahalo any atsimo ny mponina ao amin’ity kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy ity noho no afitsoka ny jiolahy. Saika isan’andro no hitrangana fanafihan-jiolahy ao an-toerana, ary tsy mifidy asiana ireo olon-dratsy fa na tokantrano manan-katao na somary sahirana dia tafihan’izy ireo avokoa. Raha ny fanazavana nomen’ny mponina ao an-toerana dia sahy milaza mihitsy ireto andian-jiolahy ireto rehefa manafika tokantrano fa tsy matahotra mpitandro filaminana ary tsy maintsy mbola hanohy ny asa ratsiny. Efa nampandrenesina moa ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena ao Ambohidratrimo, saingy hatreto aloha dia mbola manao ny ataony ireo jiolahy ary vao mainka aza mampihorohoro ny vahoaka ao an-toerana. Manoloana izany trangan-javatra izany dia manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny mponina ao Ambatolampy Tsimahafotsy mba hijery an’izao voina mahazo azy ireo izao.

F.Tsihiavonana

Lire aussi