La Gazette de la grande ile

Orin’asa Kraoma : Ahoana ihany izy io e ?

Publié le 08 novembre 2019

Tsy izahay eto amin’ny La Gazette de la Grande Ile ihany fa ny gazety sasany mpiseho isanandro eto an-toerana, hatramin’ny tambajotra ara-tsosialy, no ivoahan’ny raharaha tsy mahomby ao amin’ny orin’asa Kraoma. Ny mpiserasera sasany aza dia milaza mihitsy fa “tsy ho ela intsony dia hanateram-boninkazo ity orin’asa isan’ny reharehan’i Madagasikara ity”.

Midika izany fa tena mikatso ny raharaha ao, ary efa tsy mamokatra kraomita intsony. Ny zon’ny mpiasa moa dia isan’ny voalohan-draharaha nandraisan’ny mpitantana fepetra ka tsy sitrahan’ireo mpiasa ireo intsony.Vokatr’izany dia fantatra fa hiaka-tsehatra eto andrenivohitr’Antananarivo mihitsy ireo mpiasa avy any Andriamena sy ny tra-pahavoazana mitovy amin’izy ireo, ka hiazo ny sampan-draharaham-panjakana eo anivon’ny ministeran’ny Asa, izay misahana ny fitsirihana ny fanajana ny lalàna any anivon’ny orin’asa na ny “Inspection de travail”. Ho hita eo ny ho fiarovan-tenan’ny mpitantana ny Kraoma fa dia efa mampiteny ny moana mihitsy ny zava-misy ao.

Faralahy

Lire aussi