La Gazette de la grande ile

Toliara : Olana lehibe ny rano sy ny jiro

Publié le 14 novembre 2019

Tsy eto Antananarivo ihany no mitranga ny krizin’ny JIRAMA ity. Any Toliara dia fantatra izao fa 12 ora monja sisa no mirehitra ny jiro. Teo aloha dia 24ora amin’ny 24 ora no nirehitra izany jiro izany. Toerana maro koa no misy fahatapahan’ny rano hoy ny mponina any an-toerana. Tsy hay tenenina intsony ny voka-dratsin’izany raha tsy hiteny afa-tsy ny tsy fandriam-pahalemana ihany isika. Ny mpandraharaha madinika sy ireo mpanao asan-tànana rehetra no tena mijaly amin’izany.

Manaitra ny mpitondra fanjakana izy ireo mba hijery ny olana aty Toliara.

Makasika ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna indray dia mahatsapa ny vahoaka fa misy ny fanaparam-pahefana ataon’ny kandidam-panjakana sy ny mpomba azy . Mangataka ny mpanara-maso sy ny tompon’andraikitra misahana ny fanarahana ny ara-dalàna ireo kandidà tsy miankina ireo mba handray andraikitra amin’izany mba hiarovana ny korontana mety ho vokatr’izany.

     Jesy Rabelaolao

Lire aussi