La Gazette de la grande ile

Trafikana olombelona : Tonga eto mihitsy ny Sinoa mitady tovovavy Malagasy

Publié le 09 décembre 2019

Hatramin’ny niandohan’ity taona 2019 ity fotsiny dia efa am-polony maro ireo Malagasy voasambotra ny mpitandro filaminana izay voalaza fa mpandefa an-tsokosoko tovovavy any Sina. Raha ny fandefasana vehivavy hiasa an-tsokosoko any amin’ireo tany arabo mantsy no tena nalaza, taona vitsy lasa izay, dia any Sina  indray tato ho ato no tena malaza ary olona maro no efa naiditra am-ponja. Tany amboalohany dia mampiasa olona eto Madagasikara ireo Sinoa mipetraka any Sina mitady vehivavy Malagasy. Ankehitriny kosa, maro amin’ireo Sinoa ireo no tsy mionona amin’izany fomba fanao izany intsony fa tonga eto Madagasikara mihitsy izy ireo mitady tovovavy Malagasy entina miverina any Sina. Manaporofo izany ity tranga iray niseho teny Ambatobe ity. Roa volana mahery teo izay dia nisy teratany Sinoa dimy lahy no nitady trano lehibe ahofa teny an-toerana. Vetivety ihany dia nahita trano izy ireo ary rehefa natao ny fifanarahana na ny “contrat de bail” tamin’ny tompon-trano dia nilaza izy ireo fa hipetraka maharitraritra ao amin’io trano io satria hanangana orinasa eto Madagasikara. Ny zava-misy anefa, iray andro monja taorian’ny nipetrahan’ireto Sinoa ireto tao amin’ilay trano dia efa nanomboka nitondra karazana tovovavy Malagasy izy ireo, ary hitan’ireo olona rehetra mipetraka amin’ny manodidina izany. Nandeha moa ny andro dia tahaka izay hatrany no nataon’ireto teratany Sinoa ireto, izany hoe mitondra karazana vehivavy ao an-trano. Ny zavatra mahagaga anefa ary somary nanaitra ireo tompon-trano dia tsy tahaka ny olona handraharaha na hanangana orinasa mihitsy ireo Sinoa. Marihana fa na fiara na moto iray aza tsy hananan’izy ireo, ary nandritra ny iray volana nipetrahan’ireo Sinoa tao amin’io trano teny Ambatobe io dia tsy nividy izy ireo na fanaka iray aza fa kidoro fatoriana sy vilany fandrahoana sakafo ihany no misy ao amin’ilay trano. Tsy nampoizin’ireo tompon-trano mihitsy anefa ny zavatra nitranga satria vao nifarana ny volana novambra ka niditra tamin’ny volana desambra dia nilaza ireo Sinoa fa hiala ao amin’ilay trano afaka dimy andro satria hiverina any an-tanindrazany. Tsy nanaiky izany anefa ny tompon-trano ka nametraka fitoriana teny amin’ny pôlisy satria manitsakitsaka ny fifanarahana natao ireto vahiny ireto. Taorian’izay no nahafantarana fa tsy mieritreritra ny hijanona maharitra eto Madagasikara akory ireto Sinoa ireto kay fa mandalo mandritra ny fohy eto fotsiny, ary tsy manao afa-tsy ny mitady tovovavy Malagasy halefa any Sina. Tranga iray ihany ity niseho teny Ambatobe ity ary inoana fa tsy izy ireo ihany no tonga eto Madagasikara manao izany zavatra mamoafady izany.

F.Tsihiavonana

Lire aussi