La Gazette de la grande ile

Ambohipeno antsirabe : Vehivavy bevohoka nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana

Publié le 09 décembre 2019

Nisehoan-javatra mampalahelo indray omaly teny amin’ny fokontany Ambohipeno Antsirabe. Renim-pianakaviana tena mbola anatin’ny hatanorana tanteraka satria vao 22 taona monja no maty nisy namono tao an-tranony omaly tokony ho tami’ny 1 ora atoandro tany ho an. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny filoham-pokontany Rasoazanany Brigitte Rachel dia izy eo amperin’asa no natsoin’ny zanany fa misy tranga vono olona eo an-toerana ka avy hatrany izy dia nampandre ny commissaire central sy ny BMH mba ho tonga eny an-toerana. Rehefa nojerena ny tao an-tranon’ilay vehivavy dia izy efa mihoson-dra eo ampandriana no hita. Vy maranitra lavalava no mitsatoka lalina mahazo ny tandrifin’ny fony ary ny fandriany dia nahitana vaingan-dra maromaro. marihina moa fa mitoe-jaza telovolana ity vehivavy ity ary manan-janaka 3 taona. Ny maraina dia samy mandeha mamonjy ny asa aman-draharaha na ny vadiny izay mivarotra finday ao an-tsena asabotsy na ireo rafozany izay mifanakaiky trano aminy ka dia izy mianaka irery no tao an-trano. Avy hatrany dia nentina teny amin’ny hôpitaly ilay zazavavy satria mbola nihetsika ny lohany sy ny tanany saingy efa tsy tana intsony ny ainy. Vehivavy tso-piaina sy milamina izy raha ny nambaran’ny manodidina ary tsy dia mpivoaka ny trano loatra. Tsy manana disadisa aman’olona saingy raha ny feo mandeha dia ny rafozam-bavy no mifamaly sy misy disadisa matetika aminy. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny olona namono azy sy ny antony namonoana azy saingy efa misy olona ahian’ny mpitandro filaminana ihany ka mandeha ny fanadihadiana. Ilay zanany izay vao telo taona monja moa dia tsy nahitana ratra fa misy mivonto kosa eo amin’ny lohany.

Haingo R

Lire aussi