La Gazette de la grande ile

Faritra Boeny : Tonga hampiasa vola ny Lybianina

Publié le 09 décembre 2019

Tsy mitsaha-mitombo ankehitriny ireo mpandraharaha Magalasy na vahiny tonga hampiasa vola ao amin’ny Faritra Boeny, indrindra fa ao Mahajanga. Tamin’ny faran’ny herinandro teo dia mpandraharaha vaventy avy any Lybia indray no tonga tany an-toerana, nihaona tamin’ny lehiben’ny Faritra mpisolo toerana vonjimaika, Bazezy Vanombe Clavelah. Raha ny fantatra dia vonona ny hampiasa vola ao amin’i renivohitr’i Boeny ireto mpandraharaha Lybianina ireto ary afaka fotoana fohy dia hanomboka ny asa. Satria moa tanàna malaza amin’ny resaka fizahantany i Mahajanga dia trano fandraisam-bahiny lehibe kintana 5 na « 5 étoile » no hatsangan’izy ireo. Ankaotra izay dia hisy koa ny fananganana « logement sociaux » na trano natao ho an’ireo olona somary sahirana ara-pivelomana. Nambaran’ny lehiben’ny faritra mpisolo toerana vonjimaika fa tsy maintsy averina amin’ny lazany tany aloha ny Faritra Boeny eo amin’izay fizahantany izay ka ilaina ny fahatongavan’ny mpamatsy vola vahiny tahaka izao. Marihana fa ankaotra ny sehatry ny fizahantany dia efa maro ireo mpandraharaha malagasy sy vahiny tonga any amin’ity faritra ity mampiasa vola amin’ny sehatra hafa.

F.T.

Lire aussi