La Gazette de la grande ile

Mpitantana ny CUA : Miharihary ny fitiavam-bola diso tafahoatra

Publié le 09 décembre 2019

Tasy tako-nafenina intsony ny fitiavam-bola diso tafahoatra avy amin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny vadiny mpanolontsaina manokana. Tsy mbola ampy azy ireo angamba ny fananganana Kioska sy trano fivarotana eran’ny sisin-dalana, na koa ny fanomezana ny mpivarotra ny Parvis etsy Analakely ka ny efitrano lehibe vao miditra ao amin’ny lapan’ny tanàna mihintsy no navadika ho tsena ho an’ireo mpivarotra akanjo sy firavaka. Tohina sy sorena ny ankamaroan’ny olom-pirenena nahita izany trangan-javatra izany, izay miparitaka any anaty tambazotran-tserasera sôsialy. Mazava ho azy fa fanitsakitsahana ny hasin’ny lapan’ny tanàna no nataon-dRamatoa ben’ny tanàna sy ny vadiny. Mety tsy tsapan’izy mivady  koa angamba ny lanjan’ity lapan’ny tanàna ity satria tsy izy ireo no nanangana azy fa ny mpifanandrina ara-politika aminy. Marihana fa na ireo lapan’ny tanàna amin’ireo renivohi-paritany dimy ankaotran’Antananarivo aza dia tsy mbola navadika ho tsena fivarotana akanjo friperie. Miharihary toy ny vay an-kandriny ankehitriny ny fitiavam-bola diso tafahoatra avy amin’ireto mpitantana ny kaominina Antananarivo-Renivohitra ireto. Tao anatin’izay efa-taona nitondran’ny TIM ny tanàna izay dia hitam-poko hitam-pirenena fa tsy nisy afa-tsy toeram-pivarotana ho an’ny mpiravotra no natsangan’i Lalao Ravalomanana sy ny vadiny. Izay mantsy no hahazoana vola bebe kokoa noho ny fananganana WC Public ho an’ny vahoaka ohatra, na fotodrafitrasa mety hanamaivana ny fahasahiranan’ny mponina eto Andrenivohitra. Rehefa mandeha amin’izay ny fifidianana ben’ny tanàna ka resy ry Marc Ravalomanana sy ny firongony dia marary an-doha mafy izy ireo rehefa resy ary mihikiaka hala-bato kanefa izany no fomba hitantanana ny tanàna. Mihevitra angamba ny TIM fa maivan-doha tahaka ireo fanatikan’i Marc Ravalomanana daholo ny mponina eto Antananarivo ka ny na inona na inona ataon’izy mianakavy dia hifidy azy ireo foana ny mponina eto Antananarivo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi