La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday : Miombon-kevitra ve ny samy mpitondra fanjakana ?

Publié le 09 décembre 2019

Anio alatsinainy no hanomboka eny amin’ilay Ivon-toerana fandraisana fivoriana iraisampirenena eny Ivato ilay fihaonambe ho fakan-kevitra momba ny fitakiana ny hamerenan’i Frantsa amintsika Malagasy an’ireo Nosy manodidina antsika. Haharitra hateloana izany. Raha ny marina dia aty afovoan-tanàna no tokony hanaovana an’io fihaonambe io satria ny vahoaka no entanina fa tsy sokajin’olona ao anaty fiaraha-monina. Izay teboka iray izay izao dia efa mahalasa fisainana satria toa mifanohitra amin’ny fanentanana sy antso aparitaka any anivon’ny haino aman-jery momba an’io hetsika io ny toerana hanaovana azy.

Ambonin’izany, averimberinay hatrany fa hetsi-bahoaka no atao, fanehoan-kery, fa tsy dinika ambany tafotrano. Sa dingana ho amin’izany io hatao manomboka anio io?. Ny dingana faharoa izany ange dia tokony hifanotronana ny hokarakarain’ny Otrikafo hatao etsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo amin’ny sabotsy faha-14 Desambra izao e! Amin’io sabotsy faha-14 desambra io tokoa mantsy no feno 40 taona katroka ny namoahan’ny Firenena Mikambana an’ilay fehin-kevitra milaza ny maha-an’ny Malagasy an’ireo Nosy manodidina ireo. Tena fotoana tokoa io hanehoana ny herim-bahoaka mitaky an’ireo Nosy ireo. Raha miahiahy ny ho ako ara-diplaomatika momba izany fitarihana hetsi-bahoaka izany ny mpitondra fanjakana dia aza sakantsakanana ny hafa manana finiavana sy fahavitrihana ho amin’izany. Tohano izy ireo ary arovy mba tsy ho tafiditry ny mpikarama an’adin’i Frantsa ny laharana ka sanatriavin’ny vava, hitarika fanakorontanana. Fa manitikitika ny sain’ny mpanara-maso ny raharaham-pirenena momba ity resaka fitakiana ny fialan’i Frantsa amin’ireo Nosy Malagasy ity ny toa tsy fiombonan-kevitry ny mpitondra fanjakana foibe. Tsy afenina fa misy ny mitady hirona any amin’ny hoe “aleo hiaraha-mitantana amin’i La Frantsa ireo Nosy ireo dia tsy hiteraka olana be”. Misy kosa ireo milaza mihitsy hoe “avelao aloha ho any ny ady hevitra momba izany fa ny eto an-toerana aza ity manahirana”. Ny sasany no toa mba resy lahatra fa isan’ny ho fanoitran’ny fanavotam-pirenena sy ny fanarenana ifotony ny fialan’i Frantsa amin’ireo Nosy ireo ka hanjakan’ny Malagasy amin’izy ireo amin’ny alalan’ny fisitrahany ny fiandrianam-pirenena Malagasy any amin’ireo silaky ny lafi-tanin’i Madagasikara ireo. Ka raha hiroso amin’ity fihaonambem-pirenena hakana hevitra anio sy rahampitso eny Ivato ity isika dia te hahalala aloha ny maro na ny rehetra hoe “ahoana aloha ny fiombonan-kevitrareo samy mpitondra ambony ao?” Mety hiteraka fahalemen’ny hetsika ihany mantsy ny mandre an’izay tsy fitovian-tanjona eo aminareo samy ianareo izay, saingy na izany na tsy izany, tsy tolona hikatsahana ny tombontsoanareo mpitondra izy ity ka izay hevitrareo any dia tsy maninona, satria vitsy an’isa ihany ianareo raha miohatra amin’ny vahoaka Malagasy, fa amin’ny maha-hetsi-pirenena azy, amin’ny maha-hetahetam-bahoaka azy, dia aleo ny vahoaka no hametraka ny rafitra hitolomana sy handamina ny rindra enti-mampahomby ny tolona. Tolo-tanana amin’izay manandrify anareo mpitondra atao, raha hanao, fa sanatriavin’ny vava, aza mipetraka ho sakana kosa ianareo na mametraka fingana fa tsy ifanarahana izany. Aza manao volo hanoa randrana fa hifanena amin’ny mpaka kitay ianareo raha sanatriavin’ny vava ka….

Ralay

Lire aussi