La Gazette de la grande ile

Andry Rajoelina : Nialan’ny vahoakan’Analanjirofo

Publié le 11 décembre 2019

Faritra anisany nahazoan’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina vato be indrindra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tao Analanjirofo.

Laharana faharoa taorian’ny faritra Sava. Mbola noporofoin’ny vahoakan’Analanjirofo ny fitiavana sy fametrahana fanentanana tamin’ny filoha Rajoelina nandritra ny fifidianana depiote natao ny 27 mey.

Nanao poa-droa ny IRD tao Fenoarivo-Atsinanana. Azon’IRD ny fandresena tao Soanierana-Ivongo, Maroantsetra, Vavatenina. Amin’ny distrika 6 mandrafitra ny faritra Analanjirofo, dia Mananara-Avaratra irery ihany no azon’ny kandida tsy miankina ny fandresena tamin’ny fifidianana depiote iny.

Nitsimbadika ny rasa

Nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna natao ny 27 novambra lasa teo, dia tsapa sy hita fa manomboka manome lamosina ny filoha Rajoelina ny vahoaka ao an-toerana. Amin’ny renivohitry ny distrika enina, dia iray ihany no azon’ny kandida IRD, dia ny tao Sainte-Marie. Ny ambiny dia azon’ireo kandida tsy miankina na koa azon’ny kandida natolotry ny antoko MMM.

Raha idirana ireo voka-pifidianana tany amin’ny distrika.

Ho an’ny distrika Fenoarivo-Atsinanana izay misy kaominina 14, dia 5 amin’ireo ihany no azon’ny kandida IRD. Ho an’ny distrika Vavatenina, dia 1 amin’ny kaominina 11 monja. Ho an’i Soanierana-Ivongo, dia kaominina 3 amin’ny 9.

Anisany antony fialan’ny vahoakan’Analanjirofo amin-dRajoelina ny fitotongan’ny vidim-bokatra : lavanila, jirofo, letisia. Manomboka kivy ireo tantsaha. Anisany anton’izany fitsipiham-pitokisana izany koa ny kiantrano an-trano nataon’ny mpitarika ny antoko IRD tao Analanjirofo tamin’ny fisafidianana ireo kandida ho ben’ny tanàna.

Fisafidianana kandida izay tonga hatramin’ny fanaovana kolikoly ka nahatonga fanilihana ireo kandida tena mamim-bahoaka sy nandray anjara betsaka tamin’ny fampandaniana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.

Nanao kandida mahaleotena na nandeha nanao kandida MMM ireo voahilika nefa mamim-bahoaka ka ireny niaraha-nahita ireny ny vokatra.

Porofo ireo rehetra ireo fa noho ny ataon’ireo milaza azy fa tanan-kavanan’ny filoham-pirenena dia miala tanteraka ny filoha ny vahoaka ao Analanjirofo. Mbola afaka manarina ny filoha amin’ny alalan’ny fanaovana divorsa amin’ireo mpamahan-dalitra sy mpamitaka.

Mila miara-miasa amin’olona afaka mambambo ny vahoakan’Analanjirofo ny filoha raha tiany ny ho babo fanindroa aminy ny mponina any an-toerana. Am-bava homana…

Tsimba

Lire aussi