La Gazette de la grande ile

Taona 2019 : Nihena ny trangana fakàna an-keriny

Publié le 21 décembre 2019

Raha ny tsy fandriampahalemana no resahina dia anisan’ny nanamarika ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina ny fahamaroan’ireo trangana fakàna an-keriny na “kidnapping”. Tsy ny teratany Karana irery intsony moa no lasibatra fa hatramin’ny teratany Malagasy any ambanivohitra any dia alain’ny dahalo an-keriny ihany koa. Raha ny tarehimarika navoakan’ny Pôlisy sy ny Zandarimariam-pirenena, manodidina ny 100 teo ho eo ny isan’ny trangana fakàna an-keriny niseho eran’i Madagasikara, ny taona 2017. Somary nihena ny tarehimarika ho an’ny taona 2018 satria tranga 22 no nisy eran’ny Nosy ka ny ankamaroan’izy ireo dia teratany Karana avokoa. Anisan’ireo nisy naka an-keriny tamin’ny taon-dasa ny tompon’ny orinasa Veloptic, Navage Veldjee, izay mbola lasibatra tamin’ny zoma lasa teo ary navotsotr’ireo jiolahy, omaly. Vaovao nalaza tamin’ny taona 2018 ihany koa ny fakàna an-keriny an’ireo teratany Malagasy miisa 4 mpiasan’ny orinasa Kraoma any Tsaratanàna. Noho izay firongatry ny kidnapping teto amin’ny firenena izay dia natsangan’ny fitondrana nijoro tamin’izany fotoana izany ny “cellule” na sampana manokana miady amin’ny resaka fakàna an-keriny izay iraisan’ny pôlisim-pirenena, Zandarimariam-pirenena ary ny Tafika. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona, izany hoe nanomboka tamin’ny fotoana nandraisan’i Andry Rajoelina ny fahefana, dia hita niharihary ny fihenan’ny trangana fakàna an-keriny teto Madagasikara, na ny fakàna an-keriny terany vahiny na Malagasy. Raha ny teratany karana ohatra, dia ilay tompon’ny Veloptic Navage Veldjee ihany izao no tena nalaza, tamin’ity taona ity. Torak’izany koa ny teratany Malagasy, ny tena nisongadina dia ilay kandidà ho depiote tany Tsaratanàna izay nalain’ny dahalo an-keriny ary hita faty andro vitsy taty aoriana. Antony mety nahatonga izay fihenan’ny trangana Kidnapping teto amintsika izay ny fahatratrarana ireo jiolahy mpaka an-keriny maro, isan’izany ohatra i Dina Manantena Hajanirina , mpikambana tao anatin’ny vondron’antoko Mapar, voasambotra tamin’ny fiandohan’ny volana desambra 2018. Etsy ankilan’izay, azo ambara fa nahitam-bokany ihany koa ny nametrahana ilay sampana manokana miady amin’ny Kidnapping.

F.Tsihiavonana

Lire aussi