La Gazette de la grande ile

Antsirabe : Mitaraina noho fahatapahan’ny rano ny mponina

Publié le 26 décembre 2019

Mila ho isan’andro tao anatin’iray volana latsaka zay dia niaina tao anatin’ny fijaliana amin’ny resaka rano ny mponin’Antsirabe. Hita taratra eny amin’ny tambazotran-tserasera ny fitarainan’ny mponina satria misy ireo paompy izay tena tapaka mandritra ny iray andro tontolo toy ny eny amin’ny faritra Mahafaly Vatofotsy. Misy kosa anefa mandeha ihany ny rano fa saingy tapaka ny tontolo andro ary manomboka miverina any amin’ny sivy ora alina any ka eo no manararaotra manangon-drano ny mponina. Raha ny faritra Ivory, Antsenakely Ambalavato dia misy fotoana tapaka ary misy fotoana mandeha fa miadana dia miadana ny fandehan’ny rano. Saika ahitana izany avokoa ny faritra Antsirabe renivohitra ka mahavelon-taraina ny mponina. Raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny JIRAMA dia noho ny fahatongavan’ny main-tany dia misy fihenana ny farihin’ Andraikiba sy ny loharano eny Marofangady izay toerana misy ny toby roa famokaran-dranon’ny JIRAMA Antsirabe. Lasa tsy maharaka ny rano vokarin’ny JIRAMA na eo aza ny ezaka ho fampitomboana ny famokaran-drano. Misy ireo olona mba fetsy ihany ka manararaotra ny firotsahan’ny orana dia miezaka manangon-drano arak’izay tratra. Ny JIRAMA moa efa nandefa filazana mialoha mahakasika ireo faritra izay isian’ny fahatapahan-drano ihany ary koa manentana ny daholo be amin’ny fitsitsiana sy fanangonan-drano.

Haingo R

Lire aussi