La Gazette de la grande ile

Coronavirus : Fa inona ity ataon’ny minisitra Randriamandranto Joel ity

Publié le 13 février 2020

Tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena teny Ivato omaly alahady faha 09 febroary 2020 ny fiaramanidina any ny kaompanina fitaterana « Ethiopian Airlines ». Tonga avy any Chine ity fiaramanidina ity ary mbola nandalo tao Adis-Abeba tany Ethiopie. Nijanona ora vitsivitsy tao Addis-Abeba ity fiaramanidina ity alohan’izao fahatongavany teny Ivato izao.

Avy hatrany dia nisavoritaka ny mpiasa tao Ivato seranam-piaramanidina satria nitondra olona fito avy any Chine ho eto Madagasikara ity fiaramanidina ity. Ny roa amin’izany dia teratany Malagasy ary ny dimy kosa dia sinoa.

Avy hatrany dia napetraka amin’ny toerana manokana ireto olona ireto.

Ny olana nefa tsy izay ihany fa ny aretina antsoina hoe “coronavirus” ity dia mifindra amin’ny alalan’ny fisefoana sy ny piti-drora ka ny olona rehetra niaraka tamin’ny fiaramanidina ity izany dia heverina fa tokony haraha-maso amin’ny toerana iray avokoa. Tsy ny avy any Chine ihany fa ny avy amin’ny toeran-kafa izay tao anatin’ny fiaramanidina ity.

Ny tena zava-doza amin’ity aretina “coronavirus” ity dia mbola tsy misy fanafody ankehitriny. Maro no maty vokatr’izany any Chine sy amin’ny toeran-kafa. Raha tonga eto io aretina io dia inona no hitranga?

Inona izao zavatra ataon’ny minisitra Randriamandrato Joel izao, izay tompon’andraikitra voalohany amin’izao raharaha izao. Nahoana no tsy nosakanana ny fahatongavan’ity fiaramanidina ity. Fantatra fa olana be eran-tany ny mahakasika ny aretina ity. Tsy Madagasikara ihany no miaro mafy ny tsy hidiran’izany iretina izany amin’ny fireneny. Inona izany no tian’ingahy minisitra Randriamandranto Joel hatao?

Mendrika ny hitondra ministera ve ny olona toa izao?

Jesy Rabelaolao

Lire aussi