La Gazette de la grande ile

Raharaha Ratsimandrava : Tsy sahy avoaka ny marina, 45 taona izao

Publié le 13 février 2020

11 Febroary 1975 – 11 febroary 2020. Mitsingerina amin’ity andron’ny talata ity ny faha-45 taona nitifiran’ny fahavalom-pirenena ny kolonely Ratsimandrava, filoham-panjakana sady lehiben’ny governemanta tamin’izany fotoana. Talata koa ny andro tamin’izay 11 febroary 1975 izay.  Henemana monja taorian’ny nanoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa, filoham-panjakana tamin’izany fotoana, ny fahefana feno ho an’ny kolonely Ratsimandrava, hitondra ny tany sy ny fanjakana, no nitrangan’ity famonoana ity.

Hatramin’izao isika mifampitafa izao dia tsy mbola mivoaka ihany ny tena marina, ary tsy mbola nandray ny valin’asany izay tompon’antoka tamin’izany famonoana olona, manam-pahefana ambony ara-panjakana, izany. Ireo mpanatanteraka baiko (???) no voasazy taorian’ny fitsarana, dia ry Bory sy ny namany izany.

Nahoana no tsy sahin’ny manam-pahefana ara-pitsarana na ara-panjakana na ny fianakaviamben’ny zandarmariam-pirenena sy ny tafika amin’ny ankapobeny ny  manambara ny marina momba ny Raharaha Ratsimandrava?

Tsy tokony hadinoina fa reharehan’ny zandarmariam-pirenena Malagasy ny kolonely Ratsimandrava, noho izy Malagasy voalohany nisahana ny andraikitra maha-kaomandy ambonin’ny zandarmariam-pirenena azy teto Madagasikara, ankoatra ny tsangan-kevitra nananany.

Hisy hetsika manokana, ho fahatsiarovana izao tsingerin-taona faha-45 namonoan’ny fahavalom-pirenena ny kolonely Ratsimandrava izao eny Ambohijatovo Ambony amin’izao maraina izao.

Raha ny re mantsy dia toa misy amin’ireo manamboninahitra jeneraly tao anivon’ny zandary (efa misotro ronono) no mihevitra fa “alohan’ny hikimpian’ny maso dia tokony ampahafantarina ny taranaka sy ny firenena ny marina nisy teto, ka iray amin’izany ny Raharaha Ratsimandrava”.

Tsy dia mendrika ny ho avin’i Madagasikara loatra mantsy ny fiteny hoe “aoka ny lasa homba ny lasa” satria manome vahana ny sokajin’olona sasany tsy maty manota hampitombo hatrany ny heloka ataony eto amin’ny tany sy ny firenena, na hala-bolam-panjakana na fanodinkodinana fitaovam-panjakana na fandrobana harem-pirenena na fandripaham-bahoaka, … eny hatramin’ny fivarotan-tanindrazana sy ny maro tsy ho voatanisa. Mifanohitra amin’ny foto-kevitra antsoina hoe “Tany tan-dalàna” koa ny fiheverana ny hoe “aleo ny lasa homba ny lasa”.

Tsiahivina fa nandritra ny fotoam-pitsarana ny Raharaha Ratsimandrava dia nitalakotroka ny fanambarana nataon’ny Jeneraly Rabetafika teo anoloan’ny fitsarana, sady latsaka ny ranomasony tamin’izay hoe “malahelo aho fa tsy ato anatin’ity efi-trano ity ny namono an-dRatsimandrava”. Karazan’olona maro mantsy no voarohirohy tamin’izany, ary tao koa ny vavolombelona. Tsy mba isan’izany Ratsiraka. Na tsy nanonona ny anaran-dRatsiraka aza ny Jeneraly Rabetafika dia fanta-poko fanta-pirenena ny andraikiny tamin’izany teti-pamonoana an-dRatsimandrava izany. Tsy honohono rahateo fa hitan’ny mason’ny vavolombelona teny amin’ny manodidina ilay fiara 4L nihaodihaody teny Ambohijatovo Ambony tao anatin’ny fitifirana an-dRatsimandrava.

Antony iray nandoroan’ny “fahavalom-pirenena” ny Lapan’Andafiavaratra tamin’ny 1976 koa ity Raharaha Ratsimandrava ity satria tao no nisy ny antontan-taratasy momba ny Raharaha Ratsimandrava.

Mbola maro ireo manamboninahitra sy manamboninahitra ambony tamin’izany fotoana namonoana an-dRatsimandrava izany no velona, izay mahafantatra ny marina, saingy tsy mety miloa-bava hatamin’izao. Isan’ireny ny Jeneraly Rakotomanga Mijoro, ny Jeneraly Rakotoarijaona Désiré, ny Jeneraly Ramakavelo, sy ny hafa. Azo antoka fa mahafantatra tsara ity Raharaha Ratsimandrava ity koa ny Dr Rakotovahiny Emmanuel, izay iray amin’ireo minisitra tao amin’ny governemanta Ramanantsoa mbola velon’aina. Isan’ny olona nahatoky ny Pr Zafy Albert ny Dr Rakotovahiny Emmanuel, ary ny Pr Zafy dia voatonona tamin’ny fifandraisany tamin’ny Kolonely Brechard tamin’izany vanim-potoana nampahafana ny Raharaha “GMP” izany. Toraka izany koa Ingahy Daniel Rajakoba.

Ny Mopera Rémi Ralibera no nametraka hafatra miafina momba ny Raharaha Ratsimandrava, ary efa nambaran’ny mpanao gazety Belanto izany.

Ralay

Lire aussi