La Gazette de la grande ile

Antenimierampirenena : Voahaisotra tsy ho depiote intsony i Hasimpirenena sy Leva

Publié le 13 février 2020

Nanaratsy endrika ny Antenimierampirenena nitsangana tamin’ny taon-dasa teo ny fisian’ireo solombavambahoaka roalahy voatazona am-ponja, tsy iza izany fa i Hasim-pirenena Rasolomampionona, voafidy tao amin’ny distrikan’i Fandriana, sy Raveloson Ludovic Adrien, fantatra ny rehetra amin’ny anarana hoe “Leva”, voafidy tao Mahabo. Raha resaka famarotana tanim-panjakana antsokosoko no vesatra hiampangana an’i Hasimpirenena Rasolomampionona, dia vesatra maro kosa no hanenjehana an’i Leva. Ao anatin’izany ny famonoan’olona, famotehana tontolo iainana, fangalarana harem-pirenena, sns sns. Ny azo antoka aloha ankehitriny dia tsy hiasa eny Tsimbazaza intsony ireto roalahy ireto satria voahaisotra tsy ho solombavambahoaka intsony, araka ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, omaly. Tsy hita nanatrika ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena mihitsy ireto depiote roa ireto ka izay no antony nanesoran’ny HCC azy ireo amin’ny asany. Mazava ho azy fa tsy mbola nanitsaka teny Tsimbazaza mihitsy ireto farany taorian’ny naha lany azy ireo satria voahidy ao amin’ny fonjan’Antanimora. Raha ny voalazan’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena mantsy dia efa naman’ny mametra-pialàna ny solombavambahoaka iray rehefa tsy tonga manatrika fivoriana ara-potoana mihitsy kanefa tsy mametraka taratasy milaza ny antony eo anivon’ny birao maharitra. Rehefa voahaisotra tsy ho depiote i Hasimpirenena Rasolomampionona sy Raveloson Ludovic na i Leva, dia ireo kandidà faharoa tao anatin’ny lisitra no misolo toerana azy ireo avy hatrany. Noho izany dia ramatoa Yvonne Razafindrazalia, izay vadin’i Leva ihany no lasa solombavambahoakan’i Mahabo, ary i Taratriniaina Dina Rakotomalala kosa no mandray ny toeran’i Hasimpirenena Rasolomampionina. Tsiahivina ihany fa tamin’ny anaran’ny lisitra IRD no nilatsahan’ity tale jeneralin’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany ity teo aloha. Eny amin’ny Antenimierampirenena izay ihany, namoaka didy ihany koa ny HCC fa miverina mandray ny toerany amin’ny maha solombavambahoakan’i Bealanana azy ramatoa Marie Therese Volahaingo, ity farany izay nitàna ny toeran’ny minisitra ny Fanabeazam-pirenena ary tsy voatazona tao anatin’ny governemanta mijoro ankehitriny.

F.Tsihiavonana

Lire aussi