La Gazette de la grande ile

Fleury Rakotomalala : Nomelohan’ny fitsarana higadra 5 taona an-tranomaizina

Publié le 13 février 2020

Volana maro izay no efa nampiteny ny anarany eto amintsika i Fleury Rakotomalala, omaly kosa vao nisy ny didim-pitsarana manameloka azy. Raha tamin’ny herinandro lasa teo no nitory azy teny amin’ny fitsarana ny orinasa iray misehatra amin’ny asa vaventy  noho ny resaka fisolokiana mitetina hatrany amin’ny 197 tapitrisa ariary, dia omaly ihany no nivoaka ny didim-pitsarana. Meloka i Fleury Rakotomalala hoy ny tribonaly, ary voasazy higadra 5 taona an-tranomaizina miaraka amin’ny didy fampisamborana iraisam-pirenena. Raha hiverenana kely ny tantara dia tany amin’ny taona 2017 no nitrangan’izay raharaha fisolokiana  avo lenta izay. Nanao fifanarahana tamin’io orinasa nitory azy io ingahy Fleury Rakotomalala izay tale jeneralin’ny orinasa antsoina hoe “Jaco”, tamin’izany fotoana. Nanofa fitaovana fampiasa amin’ny fanamboaran-dalana ity orinasa Jaco ity ka ny 20 febroary 2017 no natao sonia ny fifanarahana. I Olivier Dageville izay tale teknika sy ara-barotra moa no nisolontena ny orinasa Jaco, tamin’io fotoana io. Rehefa vita ny asa rehetra nampandraiketana an’io orinasan’i Fleury Rakotomalala io dia tsy hita intsony ity farany na teo aza ny taratasy maro nalefa tany aminy, izay mangataka azy handoa ny faktiora tsy mbola naloany. Volana vitsy taty aoriana vao fantatra fa lasa nitsoaka any Frantsa ny lehilahy ary mbola tsy niverina eto an-tanindrazana, mandrak’ity ny androany. Tsara tsipihana fa tsy misy resaka politika na ny kely aza ity raharaha iray ity fa resaka fisolokiana avo lenta. Misy mantsy no milaza fa karazana valifaty politika ny fitoriana an’i Fleury Rakotomalala noho izy manohitra sy mitsikera mafy ny fitondrana mijoro ankehitriny. Toy ny fanaony hatramin’izay, tsy niandry ela fa fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana manameloka azy 5 taona an-tranomaizina, dia naneho ny heviny tao anaty tambazotran-tserasera Facebook i Fleury Rakotomalala. Aminy dia toy ny tsy misy ity didy navoakan’ny fitsarana malagasy ity satria hono tsy ho voakitikitika mihintsy ny tenany noho izy mizaka ny zom-pirenena frantsay ary mipetraka any Frantsa, lavitry ny fitsarana malagasy. Io fizakàna ny zom-pirenena frantsay io moa no hararaotin’i Fleury Rakotomalala hamingavingana sy hanapotehana ny mpitondra fanjakana eto amintsika.

J.B

Lire aussi