La Gazette de la grande ile

KOLO ANAKA : NY TSARA HO FANTATRA MOMBA NY ANDROBE (Fizarana faha 3)

Publié le 26 février 2020

9 – Ahoana no fomba fisorohona ny fanintona eo amin’ny zaza ?

Efa hitantsika ny maha-samihafa ny androbe amin’ny fanintona. Amin’ny ankapobeny, ny fanintona dia vokatry ny fiakaran’ny mari-pàna be loatra ateraky ny tranga samihafa toy ny aretin’ny taovam-pisefona na aretin-tenda na aretin-tsofina na valan’aretina hafa mpahazo ny ankizy (kitrotro, donika…). Ireny krizin’ny fanintona ireny dia mora misinda sy tsy miverimberina ary ny ankizy eo anelanelan’ny 1 taona – 3 taona no matetika voany nefa tsy mampitondra takaitra azireo izany.

Zava-dehibe ny fisorohona mba tsy ho voan’ny fanintona.

Ny tsy maintsy atao voalohany indrindra dia ny mampidina ilay hafanàna be. Tsy maintsy tsapaina isaky ny ampaham-potoana tsy dia lava loatra ny mari-pànan’ny zaza, kendrene tsy voan’ny rivotra saingy tsy rakofana lamba matevina sady tsy ampanaovina akanjo mafana. Tsy tokony ho adino ny mampisotro rano azy matetika ka tandremana mba tsy ho sondrovaka izy. Omena fanafody fampidinana hafanàna ny zaza fa tsy andrasana ela. Efa tsy fanao intsony ny mampandro ny zaza amin’ny rano matimaty latsaky ny 2° C amin’ny hafanàna hita eo amin’ny « thermomètre ». Mety mahatonga olana hafa na maika mampitombo ny fanintona izy io.Tokony hianaran’ny ray aman-dreny ireo toro-làlana ireo ary ho ampiharina mandra-pahatongan’ny mpitsabo mpanao ny fitiliana ny fototr’aretina nahatonga ny fanintona.

10 – Inona no atao raha mifanintona ny zaza ?

Raha toa ka mifanintona ny zaza na dia efa noraisina aza ny fepetra voalaza etsy ambony dia «hampandriana faingana manaraka ny fomba azo antoka » ny marary na koa hoe « Position de sécurité ». Ampatoriana miorirana ilay zaza, tsy mampiasa ondana ary mety kokoa aza raha ambany ny loha raha miohatra amin’ny vatana. Io fomba fatoriana io dia miaro azy amin’ny fahasemporana ateraky ny fivoahan’ny farora-bava betsaka rehefa miseho ny krizy. Tsy ho sondrovaka izy amin’izay raha toa ka mandoa. Izany koa dia hialana amin’ny fametrahana ny rantsan-tànan’ny reny na ny ray ao am-bavan’ny zaza. Tsy azo atao ihany koa ny fikakàna rantsan-kazo na sotro ao am-bava raha mitranga ny fanintona. Tandremana tsara koa ny faharatràna satria mihetsiketsika mafy ny olona mifanintona. Rehefa tonga saina ilay zaza avy mifanintona dia toa verivery saina sy hendratrendratra ka tsara raha omena toky sy tambitamby izy.

11 – Manarànaka ve ny androbe ?

Misy teboka telo tsara hojerena. Isika tsirairay avy dia mety ho voan’ny krizin’ny androbe raha toa ka voan’ ny dona mafimafy ny atidoha na sendra fahavoazana (ohatra karazana fery anaty) manelingelina ny fomba fiasan’ny atidoha. Misy olona sasany anefa mora tratrany kokoa satria ambany ny « tahapisehoan’ny krizy » eo amin’ny atidohany raha miohatra amin’ny olona hafa. Io ilay antsoina hoe « seuil épileptogène bas ». Ny fifampitan’io « tahapisehoan’ny krizy » izay ambany io eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka no mety mahatonga ny androbe hanarànaka. Etsy ankilan’izany, voaporofo fa raha misy voan’ny androbe ny iray amin’ny zaza kambana ao amin’ny taranaka iray, dia mety ho mora hiarany kokoa ny zaza faharoa amin’ilay kambana. Ny mpiray tampo hafa na vavy na lahy kosa dia tsy atahorana ho voa.

Farany, misy karazana androbe vitsivitsy izay manarànaka, fa misy koa aretina manarànaka mety manamora ny fiavian’ny androbe.

Nangonin’i R. Tatiana (hitohy)

Lire aussi