La Gazette de la grande ile

Fanoherana : Hifampitantana ny TIM sy ny HVM ?

Publié le 26 février 2020

Fifandrifin-javatra ve sa kajy pôlitika efa maty paika ny an’ny antoko TIM sy ny HVM ? Tao anatin’ny andro iray mantsy no samy nanao fanambarana ireto antoko pôlitika roa milaza fa mpanohitra ny fitondrana ireto. Raha tsy nandrenesam-peo firy ny HVM tao anatin’ny volana maro dia nivoaka tamin’ny fahanginana izy ireo, ny alatsinainy teo, ary namoaka “mémorandum” izay manameloka mafy ny fomba fitantanan’ny mpitondra ankehitriny ny raharaham-pirenena. Nisongadina tao antin’izay “mémorandum” navoakan’ny HVM izay ny ambaran’izy ireo fa fanitsakitsahana ny Lalàm-

panorenana ataon’ny fitondrana. Nanatanteraka velan-kevitra teny amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Carlton ity antokon-dRajaonarimampianina ity ka taorian’izay no nivoahan’ny fanambarana. Mirazotra tamin’io velan-kevitra ny HVM teny Anosy io no nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tao amin’ny foibeny eny Bel’Air ireo mpitarika ny TIM, ary nanambara fa hametraka paikady vaovao hamerenana ny hery sy ny tanjaka ny antoko. Mba ahatongavana amin’izany dia hanatanteraka fihaonambe eny By-Pass ny antoko, amin’ity anio ity. Mazava ankehitriny fa vonona hiatrika ny raharaha pôlitika eto amin’ny firenena ireto antoko pôlitika roa ireto, ary na ny andaniny na ny ankilany dia efa samy nanambara ampahibemaso fa mijoro ho mpanohitra ny fitondran’i Andry Rajoelina. Raha ny zava-misy eo amin’ny tontolo pôlitika eto Madagasikara aloha hatreto dia ny TIM sy ny HVM irery no azo ambara fa mpanohitra manana tanjaka eto amin’ny firenena. Ireto antoko roa ireto ihany mantsy no manana parlemantera eny amin’ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona. Ny fanontaniana mipetraka ankehitriny dia ny hoe: “hifampitantana hiara-dalana ve ny TIM sy ny HVM manomboka eto sa samy haka ho azy eo amin’izay fanoherana ny fitondrana izay ?”. Rehefa miresaka pôlitika, na aiza na aiza eto amin’ity tany ity dia tsy afa-misaraka amin’izany ny fifidianana, izany hoe ny fangalàna fahefana amin’ny fomba demôkratika. Na mbola afaka efa-taona aza ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, azo eritreretina sahady ny mety ho fiarahan’ny TIM sy ny HVM, hifaninana amin’ny filoha amperinasa Andry Rajoelina izay inoana fa tsy maintsy ho kandidà. Raha handeha irery mantsy ny antoko HVM ka handrotsaka kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka, dia azo antoka zato isan-jato fa tsy handresy amin’ny fifidianana mihitsy, ary efa nanaporofo izany ny vokatra azon’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana filoha, tamin’ny taona 2018. Ho sarotra ho an’ny TIM ihany koa anefa no handresy an’i Andry Rajoelina raha tsy misy ny fiarahana na “alliance” amin’ny antoko pôlitika hafa mba manana tanjaka. Mazava ho azy fa amin’ny pôlitika eto amintsika, azo lazaina fa manana tanjaka ny antoko iray rehefa manam-bola entina miatrika fifidianana.

F.Tsihiavonana

Lire aussi