La Gazette de la grande ile

Mpiasan’ny ministeran’ny Fampianarana : Hivoaka tsy ho ela ny tambin-karama 50.000 ariary

Publié le 28 février 2020

Ny faran’ny herinandro lasa teo no nitafa tamin’ny mpanao gazety ireo fikambanana sy sendikà hivondronan’ny mpampianatra sy mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana teknika sy arak’asa. Tamin’io fotoana io no nanomezan’ireo fe-potoana 72 ora ny fanjakana mba handoavana ilay tambin-karama 50.000 ariary isan’olona izay tokony naloa ny volana janoary lasa teo. Tsiahivina fa tamin’ny taona 2018 no nitaky tambin-karama manokana 100.000 ariary ny mpampianatra sy ny mpiasan’ny ministera. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny praiminisitra teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo tamin’izany fotoana izany, ary tapaka fa zaraina telo ny fanomezana izany. Ny ampahany voalohany 25000 ariary dia efa nomena tamin’ny volana oktobra 2018. Mbola 25000 ariary ihany koa no naloa tamin’ny volana janoary 2019, ary ny ambiny 50.000 ariary kosa dia tokony nomena, ny janoary lasa teo. Hatramin’ity androany ity anefa dia tsy mbola nahazo an’io ambiny 50.000 ariary io ireo mpampianatra mpiasam-panjakana sy ireo mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny ministera. Manoloana izay indrindra, nitafa tamin’ny mpanao gazety ny minisitra tompon’andraikitra, omaly, ary nanambara fa hivoaka tsy ho ela izay tambin-karama izay. “Efa eo am-pamaranana ny dingana rehetra tsy maintsy arahina ny ministera sy ny governemanta, ankehitriny. Nisy ny fanitsiana tsy maintsy nentina teo amin’ireo didim-panjakana efa nivoaka teo aloha mba hisian’ny fitoviana lenta eo amin’ny mpiasa rehetra. Tiana ny manamarika fa tsy vao izao ny ministera no nikaroka ny fomba rehetra hampiharana io fifanarahana natao teny Mahazoarivo tamin’ny taona 2018 io mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro”, hoy ny minisitra ny Fanabeazam-pirenena, ny fampianarana arak’asa sy teknika, ramatoa Josoa Andriamanana, nandritra ny tafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Noho izany dia miantso ireo mpampianatra sy mpiasan’ny ministera mba hanana faharetana kely ny minisitra satria tsy maintsy hafainganina ny fanatanterahana ny fifanarahana nifanaovana teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo.

F.Tsihiavonana

Lire aussi