La Gazette de la grande ile

Delestazin’ny Jirama : Tsy mety voafehin’ny tompon’andraikitra mihitsy

Publié le 28 février 2020

Nahavelom-panantenana ny maro ny nahita fa manana fahasahiana mandray andraikitra ny fitondram-panjakana rehefa hita fa tsy ahitam-pahombiazana ny nanankinana ny raharaha iray. Isan’izany ny nanaisorana an’i Vonjy Andriamanga teo amin’ny toeran’ny minisitra ny Angovo azy. Dia nanantena ny maro fa ho voavaha ny olana eo amin’ny Jirama. Inona ny teo fa mbola mampijaly ny vahoaka. Mbola tsy mitsahatra ny fahatapatapahan’ny herinaratra ny Jirama.

Dia misy indray izao ny hanome tsiny ny mpanao fanamarihana hoe “angaha moramora ny manao zavatra e?” Dia hoy izahay hoe “mahatsiarova tena dia raiso ny andraikitra rehefa mahatsapa fa tsy mora ny manao zavatra ka tsy mahomby”. Fahombiazana no andrandrain’ny maro matoa ianao napetraka amin’ilay andraikitra. Ankoatra izay, tsy noterena ianao ho eo fa nisy fankatoavana tao. Tsy izany ihany anefa fa nokaramaina volabe, nomena ny fahefana sy ny fitaovana hahafahana mampahomby an’ilay raharaha. Mbola iantohana avokoa ny filanao rehetra raha izay no antoka hivainganan’ny asa nampiantsorohana anao.

Ka rehefa tsy hita voaka ny vokany fa mbola mitohy ny fijalian’ny vahoaka aminy dia azo karakaraina ka esorina izy rehefa tsy mahatsiaro tena.

Izany mantsy izao no mahasarotiny ny maro raha niroso tamin’ny fanovana na fanoloana an’ireo minisitra sasany nandrafitra ny governemanta ny filohampirenena. Manara-maso ny rehetra hoe “tokony mahavita zavatra goavana lavitra noho ny nataon’ny teo alohany izy ireo”. Raha tsy nahavita na inona na inona kosa ilay nosoloiny dia tsy tokony hianona amin’ny iray na roa ny mpandimby.

Ny mahazendana mantsy eto dia tsy mba mifaninana amin’ny tsara ry zalahy rehefa mandimby toerana ny hafa fa mifaninana amin’ny tsy fahombiazan’ny teo alohany.

Dia aoka tsy ihambahambana ny manipika fa “firenena iaraha-manana i Madagasikara fa tsy natao ho an’olona vitsy na misy Malagasy tsy manan-jo ho isan’ny Malagasy. Noho izany, rariny sy hitsiny raha sarotiny sy tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy fahombiazan’ny tompon’andraikitra ny olom-pirenena. Izay indrindra koa no tokony ho antony ijoroan’ireo rafitry ny firaisa-monim-pirenena, dia ny manara-maso sy manaitaitra ny tompon’andraikitra, ary hitaky ny fanesorana azy na fanalana azy rehefa tsy mahomby na rehefa hita taratra fa hampitondra zioga ny mpiray tanindrazana, eny, mety ho tsikaritra mihitsy aza fa “hamono ny ain-dehiben’ny firenena”.

Ka raha ity tsy fitsaharan’ny fahatapatapahan’ny herin’aratry ny Jirama ity no asian-teny dia aoka tsy hifamendrofendro raha misy mijoro milaza ny maharary azy sy ny tsy rariny mianjady aminy, ary ny tokony ho akon’izany.

Rainisoa

Lire aussi