La Gazette de la grande ile

Intsy sy Nday : Tanteraho ny fanamby tamin’ny vahoaka dia tsy hatahotra ianareo

Publié le 03 mars 2020

Nanana ny toerany teo amin’ny tontolom-piaraha-monina Malagasy ny ohabolana. Nosintonin’ny Ntaolo razantsika tamin’ny zava-nisy niainany izany, ary azo ambara mivantana fa “siantifika” lavitra noho ny mpikaroka klalaza ny Ntaolo amin’io. Fomba fiteny Malagasy madio, ohatra ny hoe “tsy ho faty raha tsy ianjeran-tanan-tsotro”. Mahalana sisa no ahenoana azy io amin’izao fotoana. Ny tanan-tsotro dia tsy inona fa ny toerana nametrahan’ny Ntaolo ny sotro fihinanana. Tsy mba toy ny ankehitriny fa kojakoja vita amin’ny rofia dia miantona. Maivana dia maivana ny tana-tsotro, ary mazava ho azy fa ny akora nanaovana azy, rofia, dia manamarina izany. Amin’izay hamaivanany izay dia tsy tokony hisy olana na zavatra ahiana ho vaky na ho simba raha sendra ianjeran’izy io na ilatsahany. Ny oha-pitenenana Malagasy kosa anefa, teo anilan’izay, dia nampibaribary, fa misy ny olona dia mety ho fatifaty foana tsy amin’antony. Noho ny hataitairana, ohatra, dia maty. Hany ka niloa-bava ny ntaolo hoe “na zava-bitika sy maivana toy ny tanan-tsotro na toy ny volom-borona aza dia mety hahafaty noho io fahataitairana io”.

Ampifandraisintsika amin’ny toe-draharaha pôlitika amin’izao fotoana izany. Asa na noho ny fahatsapan’ny tompon’andraikitra sasany ara-panjakana hoe “mitsingilahila ny toerany”, na “tsy marim-pototra”, na “efa mitady hirodana”, na tsy matoky izy fa miaraka amin’ny vahoaka na tsy tena resy lahatra izy fa tena voafidim-bahoaka fa izay tranga rehetra miseho eo anivon’ny fiaraha-monina dia lokoina avy hatrany ho “asa fanakorontanana”, “fampisavorovoroana”, “fanozongozonana”, eny mety hiantefa hatrany amin’ny hoe “tetika hanonganam-panjakana” aza.

Izay no kisary tsapa raha namoaka tarehi-marika, ohatra, ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena momba ny Fifidianana (Ceni) fa nahatratra iray tapitrisa mahery ny isan’ny olona voasoratra anarana mitovy laharan-karapanondro tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fanavaozana natao tamin’iny lisi-pifidianana iny. Avy hatrany dia nitsambikina ny sasany tao anivon’ny fitondrana tao hoe “fanohintohinana na fanozongozonana na fanakorontanana ny fitondrana izany”. Nampitovy lohateny avokoa ny gazety mpitondra tenin’ny fitondrana. Nanahy ry zareo hoe hiteraka akony ratsy any amin’ny fisainan’ny olona izany ka hisy ny hitaky fa hoe “hay marina ihany ny an’ny mpifaninana pôlitika amin’ny fitondrana fa tsy lanim-bahoaka ry zareo”, sy ny sisa.

Omaly moa dia nitondra fanazavana ny Filoha lefitry ny Vaomierampirenena misahana ny Fifidianana, Thierry Rakotonarivo, fa “tsy nanova ny isan’ny mpifidy akory izany ary tsy nisy akony tamin’ny latsa-bato na ny voka-pifidianana fa olona roa na telo samihafa, samy voasoratra ara-dalàna ao anatin’ny lisi-pifidianana fa ny laharan’ny kara-panondrony no nitovy”. Mety ho fahadisoana teo amin’ny olona nanoratra tany amin’ny fokontany no nahatoanga izany na ny olona nandrafitra ny lisi-pifidianana tany amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, sy ny hafa.

Eo izany no mahavariana amin’ny mpitondra ankehitriny koa e ! Aoka hotsorina fa mety ho tsapan-dry zareo ny tsy fahombiazany loatra dia zarany aza misy tranga anilihany ny rihitra, ka any amin’ny hoe manakorontana no alehan’ny sainy voalohany, ary mety hambarany atsy ho atsy fa “vokatr’ireny fanakorontanana ireny dia tsy vita ny tatsy, tsy tontosa ny taroa, …”

Izahay dia mbola manipika ihany, matokisa tena ary miantehera mandrakariva amin’ny vahoaka. Manaova ny tsara amin’ny vahoaka fa ny vahoaka tsy hanohana anao raha tsy mahatsapa izy fa mahavita zavatra aminy ianao, raha tsy tsinjony fa vitanao ny nanefa ny tamberin’andraikitra taminy.

Ankoatra izay, averimberinay hatrany fa tsy olana loatra na fifidianana ara-pahamarinana na fifidianana nisy lesoka na hetsi-bahoaka na fanonganam-panjakana no nahatongavanao eo amin’ny fahefam-panjakana fa ny takian’ny vahoaka dia hoe “ilay fahefam-panjakana eo ampelan-tananao iny ve nikarakaranao ny vahoaka sa nohararaotinao nangoronan-karena sa nampiasanao nandripahana ny ambanilanitra na…” manjary mitranga mantsy ny fitaintainanareo mpitondra na ny fahatahoranareo hiongana… rehefa tsy vitanareo ny nampanantenainareo tamin’ny vahoaka.

Rainisoa

Lire aussi