La Gazette de la grande ile

Depiote Rasolonjatovo Honoré : « Misy tsiparifary manimba ny firenena manodidina ny filoha »

Publié le 05 mars 2020

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, taorian’ny fisokafan’ny fivoriana tsy ara-potoana’ny Antenimierampirenena, ny solombavambahoaka Rasolonjatovo Honoré (Papasolo), izay voafidy tany Faratsiho, ary filoha lefitra ny birao maharitra ny Antenimierampirenena avy amin’ny faritanin’Antananarivo.

Teboka voalohany notsindriany ny akon’ny fanambaran’ny Ceni ny fisian’ny laharan-karapanondro mitovy hatramin’ny iray tapitrisa tao anatin’ny lisi-pifidianana. Nohamafisin’ny Depiote Rasolonjatovo ny tenin’ny Ceni fa “tsy misy fiatraikany amin’ny voka-pifidianana izany satria ny olona manana zo hifidy dia voasoratra ara-dalàna tao anatin’ny lisitra fa ny laharan-karapanondrony no nitovy, toy ny diso fanoratra daty nahaterahana na diso famaritra ny laharan’ny trano fonenany”.

Misy koa ny manararaotra an’izay tranga nambaran’ny Ceni izay ka mitaky ny famerenana ny fifidianana, hoy hatrany i Papasolo. Ny tombontsoam-pirenena no katsahina ka tokony ho tsapan’ny rehetra fa ankoatra ny tsy fisian’ny akon’izany laharana karapanondro nitovy tao anatin’ny lisi-pifidianana izany tamin’ny voka-pifidianana dia volabe amin’arivony tapitrisa maro koa no lany amin’ny fikarakarana fifidianana, ka tsy aleo ve ny vola eritreretina ho amin’izany mba hanatanterahana fotodrafitrasa ho an’ny vahoaka na iahiana ny fandriam-pahalemana na ikarakarana ny ara-sosialy any anivon’ny fiaraha-monina rehetra any, hoy izy?

Momba ny toe-draharaha ankapobeny dia nomarihin’ity Filoha lefitry ny Antenimierampirenena eto Antananarivo ity ny hoe “ekena ary marina fa sarotra ny mitady olona sady mahay no itokisana hisahana raharaham-panjakana any amin’ny rafitra isan’ambaratonga sy sehatra ambonin’ny fanjakana any saingy tokony hahay manavaka ny vary amin’ny tsiparifary ihany ny filohampirenena fa maro ny tsiparifary any anatin’ny fiandraiketana ny raharaham-panjakana ambony any ka zary mampandringa ny fandrosoan’ny fikarakarana ny vahoaka”.
Nambaran’ny solombavambahoakan’i Faratsiho koa anefa fa na misy aza ny fanakianana sy ny tsinin’ny fitondrana amin’ny fanatanterahana ny raharaham-pirenena dia azo atao ny milaza fa nahavita kokoa raha mitaha amin’ny filoha teo aloha roalahy, dia Ingahy Ravalomanana sy Ingahy Rajaonarimpianina ny filoha Rajoelina, ary ny fahafantaran’ny olona azy hatramin’ny fitondrana tetezamita tamin’izay zavatra nataony izay no tombony azony ka nahazoany vato betsaka kokoa tamin’ny fifidianana raha miohatra amin’ireo nifaninana taminy.

Ralay

Lire aussi