La Gazette de la grande ile

Itaosy-Ambohidrapeto : Zandary iray 4×4 nisava lalana pasitera sekta

Publié le 13 mars 2020

Nahagaga sy nanaitra ny mponina teny amin’iny faritr’Itaosy sy Ambohidrapeto iny ny zava-niseho teny an-toerana, ny alarobia 4 marsa lasa teo. Fiara tsy mataho-dalana an’ny Zandarimariam-pirenena iray, ary feno zandary tao anatiny no nisava ny lalan’ny mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana sekta iray antsoina hoe Samuelson Edouard. Isaka ny 4 marsa dia mifety sy mifaly ny mpino rehetra ao amin’’io fiangonana zandriny iray io. Tamin’ity taona ity dia teny amin’ny kianja fanaovam-baolina eny Antanikatsaka, ao amin’ny kaominina Bemasoandro no nanomboka nifety tamin’ny alàlan’ny fampisehoana maro samihafa ny fiangonana, ary ny atoandro kosa dia nitohy teny Ambohidrapeto ny lanonana, toerana misy ny foiben’ny fiangonana. Rehefa tapitra ny fampisehoana teny Antanikatsaka dia ny pasitera Samuelson Edouard no nandao voalohany ny toerana ary avy hatrany dia nihazo an’Ambohidrapeto, nandeha fiara raitra sy lafo vidy. Talanjona anefa ny olona nandalovan’ity mpitondra fivavahana ity satria fiarana zandary mihitsy no nisava lalana na nanao « escorte » azy eran’ny arabe. Maro no nihevitra fa manam-pahefana ambony eto amin’ny firenena no nandalo, tsy izay anefa no zava-nisy fa pasiterana fiangonana sekta no nosavaina lalana. Tsara marihana fa saika mahafantatra an’io fiangonana zandriny eny Ambohidrapeto io ny ankamaroan’ny mponina eny amin’iny faritr’Itaosy rehetra iny. Manana televizionina sy onjam-peo rahateo ihany koa ny fiangonana ka tsy vitsy ny Malagasy mahafantatra azy. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe : « fa nahoana no misava lalana mpitondra fivavahana amin’ny fiangonana sekta ny zandary kanefa raha ny lalàna velona eto amin’ny firenena dia tsy azon’ny mpitandro filaminana atao izany?». Rehefa misy mantsy ny lanonana lehibe ataon’ny FJKM na ny EKAR eto Andrenivohitra, tsy mba misy mpisava lalana izany ny filohan’ny FJKM na ny Arsevekan’Antananarivo rehefa hamonjy ny toerana misy ny lanonana. Raha ny fahitana azy dia mety nandoa volabe tamin’ny zandary ity pasitera ity satria tsy hanao an’izany maimaimpoana mihitsy ny mpitandro filaminana.

D.R

Lire aussi