La Gazette de la grande ile

Coronavirus : Miantso vonjy ireo Mpianatra malagasy any Indonezia

Publié le 26 mars 2020

Miaina anaty tebiteby ireo mpianatra malagasy any Indonezia manoloana ny toe-draharaha izay mifamahofaho maneran-tany ary anisan’ny voakasik’izany i Madagasikara sy Indonezia momba ny valan’aretina coronavirus.

Miantso vonjy ireto mpianatra malagasy any Indonezia ireto noho ny tsy mbola naharaisan’izy ireo ny “allocation financière 2018-2019”, izay vola tokony nivoaka tamin’ny Desambra 2019 kanefa « tsy mbola tonga aty noho ny antony izay mbola tsy mazava », hoy ny fitarainan’ireto mpianatra ireto.

Efa nisy, hoy izy ireo, ny fitarainana maro, sy fitadiavam-bahaolana naroso tamin’ny tompon’andraikitra, toy ny CONABEX (Commission Nationale des Bourses Extérieures) sy ny Ministera isan’ambaratongany, saingy nandamòka daholo izay natao rehetra.

Maro amin’ny mpianatra malagasy any Indonezia no mianto-tena. Hany ka io vola fanampiana avy amin’ny fanjakàna io, izay indray mandeha isan-taona ihany, no mba antenain’izy ireo, ary ny Ray aman-drenin’izy ireo dia maro no anatin’ ny fahasahiranana, ka izay no iantsoan’ireto Mpianatra malagasy ireto vonjy.

Tsy misy Masoivoho malagasy any Indonezia ka mangataka ireto mpianatra malagasy any Indonezia ireo mba hahazo valiny mahafa-po avy amin’ny fitondram-panjakàna mahefa.

Rainisoa

Lire aussi