La Gazette de la grande ile

Fiarovana amin’ny Covid-19 : Tsy mahatoky ny Malagasy ny Eoropeanina

Publié le 26 mars 2020

Na tsy mbola tafiditra teto Madagasikara aza ny valan’aretina Covid-19 dia efa maro ireo teratany Eoropeanina, indrindra fa ny teratany Frantsay no nandao an’i Madagasikara niverina any amin’ny firenena nihaviany. Raha ny fantatra dia nahatratra 3346 ny isan’ireo Eoropeana niala teto amintsika, tamin’iny herinandro lasa teo iny ka ny ankamaroan’izy ireo no teratany Frantsay. Inoana fa mbola mety hitombo io tarehimarika io satria raha ny fanazavana nomen’ny mpitondra tenin’ny governemanta, omaly, dia misy foana ny fiaramanidina avy any Frantsa no tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ary maka ireo teratany Eoropeanina maniry ny hody any an-tanindrazany. Somary mahagaga ihany moa izany toe-javatra izany satria any Frantsa sy any amin’ireo Firenena Eoropeanina mihitsy aza no tena miparitaka tsy misy toy izany ny tsimok’aretina Coronavirus ary efa an’arivony maro no namoy ny ainy. Mazava ho azy fa tsy mahatoky ny Malagasy amin’ny ady atao amin’ity areti-mandoza ity ny vahiny ka aleon’izy ireo mitsoaka any amin’ny tany nihaviany izay hatokisan’izy ireo kokoa. Tsy ny rafi-pahasalamana misy eto Madagasikara ihany no mety tsy hatokisan’ireo vahiny fa eo ihany koa ny Malagasy izay fantatr’izy ireo fa mety tsy ho voafehin’ny fanjakana amin’ireo toromarika sy fepetra rehetra hapetraka mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina.

F.Tsihiavonana

Lire aussi