La Gazette de la grande ile

Dr Fidy Bariniaina : Mila mailo hatrany amin’ny faran’ny ririnina

Publié le 26 mars 2020

Amin’ny maha-dokotera mpitsabo ny Dr Fidy Bariniaina, izay ao amin’ilay ivon-toerana “Image Appli” dia nitondra fanazavana momba ny fandinihana manokana nataony teo anoloanay mpanao gazety izy. Nambarany fa “amin’ny fotoanan’ny ririnina no tena mampihetsika ny gripa raha ny eto amintsika, ka ny dikany dia tsy hoe tsy misy fa tsy dia mahazo vahana firy ny gripa rehefa mafana ny andro”. Ny fanampim-panazavana nentiny no nanindriany fa mety ho anisan’ny nanampy tamin’ny fihenan’ny fiparitahan’ny Coronavirus any Chine ny fiakaran’ny hafanana any aminy amin’izao fotoana. Nomarihiny tsara ny hoe “mety ho anisany fa tsy midika hoe izay ihany”. Etsy ankilany, mbola mangatsiaka be amin’izao fotoana ny faritra Eraopa sy Amerika avaratra, hoy izy, ka manome vahana ny fahatongavan’ny gripa izany, ary azo ambara fa lalana iray nihazakazahan’ny fifindran’ny “coronavirus”, indrindra fa tsy nisy ny ezaka tamin’ny fiarovan-tena. Ho antsika eto Madagasikara kosa, ny fanazavan’ny Dr Fidy Bariniaina dia nanindriany fa “mbola mafana ny toetrandro eto Madagasikara amin’izao fotoana, ary tsy fotoanan’ny fipongaran’ny aretina gripa loatra, fa amin’ny vanim-potoana’ny ririnina no tena mampanahy ka mety ho tena hihanahan’ny coronavirus, raha tsy mailo dieny izao isika amin’ny fampiharana ny fepetra rehetra fisorohana na hisakanaa ny fiparitahan’izy io”. Notsindriany hatrany tamin’ny fanazavana nentiny fa “tsy midika velively ho fanamaivanana ny fepetra rehetra efa noraisina izay tena tokony hampiarina tsara an-tsakany sy an-davany ny fandinihana manokana nitondrako fanazavana teo”. “Ny mifanohitra amin’izany aza, dia ny fanamafisana hatrany ny fampiharana ny fepetra hatrany amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina”, hoy izy, “na mety ho voalaza aza fa efa sitrana avokoa ireo nitondra ny tsimok’aretina amin’izao fotoana.”

Rainisoa

Lire aussi